Hijery ny anatiny

1 NOVAMBRA 2016
ITALIA

Horohoron-tany any Italia Afovoany

Horohoron-tany any Italia Afovoany

Nisy horohoron-tany nirefy 6,6 amin’ny maridrefy Richter tany amin’ny faritra afovoan’i Italia ny marainan’ny 30 Oktobra 2016. Io no horohoron-tany mahery indrindra namely an’i Italia taorian’ny 1980. Araka ny tatitra voaray voalohandohany, dia tsy nisy maty fa olona 20, fara fahakeliny, no naratra.

Teo akaikin’ny tanànan’i Norcia ny foiben’ilay horohoron-tany, ary efa nisy horohoron-tany roa namely an’io faritra io, andro vitsivitsy talohan’izay. Tamin’ny harivan’ny 26 Oktobra 2016 ny iray, ary nirefy 5,5 amin’ny maridrefy Richter ilay izy. Adiny roa taorian’izay dia nisy iray hafa nirefy 6,1 amin’ny maridrefy Richter.

Tsy lavitra an’ilay toerana nisy horohoron-tany tamin’ny 24 Aogositra ireo horohoron-tany ireo. Olona efa ho 300 no maty tamin’izay.

Nitatitra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia hoe tsy nisy Vavolombelona maty na naratra mafy. Fianakaviana roa kosa, fara fahakeliny, no rava trano tamin’ny 26 Oktobra, ary nisy simba ny tranon’ny Vavolombelona maro. Miresaka amin’ireo Vavolombelona any amin’ny faritra niharan-doza ny anti-panahy eo an-toerana, mba hamantarana an’izay ilain’izy ireo sy ny zavatra simba. Tena ilaina izany satria mbola vao miarina amin’ilay horohoron-tany tamin’ny volana Aogositra ny maro amin’izy ireo. Mitovy amin’ny olon-kafa ihany ny Vavolombelon’i Jehovah maro satria tsy azony antoka ny hamafin’ny tranony. Tsy maintsy matory any anaty fiara na tranolay na any amin’ny Efitrano Fanjakana, toerana fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, àry izy ireo.

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe no mandrindra ny fanampiana vonjy rano vaky, ka ny vola fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no ampiasainy. Misy 251000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000

Italia: Christian Di Blasio, 39-06-872941