Hijery ny anatiny

Lapan’ny Fitsarana any Roma, izay misy ny Fitsarana Tampony any Italia

18 JOLAY 2019
ITALIA

Fitsarana Tampony any Italia: Manan-jo Hifidy ny Fitsaboana Azy ny Vavolombelon’i Jehovah

Fitsarana Tampony any Italia: Manan-jo Hifidy ny Fitsaboana Azy ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanohana ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hifidy an’izay fitsaboana tiany hatao aminy ny Fitsarana Tampony any Italia, tamin’ny 15 Mey 2019. Nohamafisin’ilay Fitsarana hoe manana zo hifidy solontena hiaro ny fanapahan-keviny tsy hampidiran-dra ny marary. Nohamafisin’ilay Fitsarana koa hoe ny lalàna italianina mihitsy no mamela ny marary hanendry solontena. Mety tsy ho afaka haneho ny heviny mantsy izy noho ny aretiny.

Ry Cappelli mivady

Ilay raharaha mahakasika ny Rahalahy Luca Cappelli, anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray, no nahatonga an’io didim-pitsarana io hivoaka. Efa 25 taona izy izay no narary. Misy tsy metimety mantsy ny lalan-dra any amin’ny atidohany. Maromaro ny fitsaboana tsy maintsy atao amin’ny Rahalahy Cappelli ary indraindray izy tsy afaka milaza ny heviny. Talohan’ny nitsaboana azy dia efa nataony an-tsoratra ny fanapahan-keviny momba ny fitsaboana tiany hatao aminy, ary i Francesca vadiny no nataony solontenany. Nolavin’ny mpitsara tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony kokoa hoe ny vadiny no atao solontena. Midika izany hoe na tsy te hampidiran-dra aza ny Rahalahy Cappelli, dia tsy mahazo antoka mihitsy izy hoe hohajaina izany fanapahan-keviny izany.

Niakatra Fitsarana Tampony ilay raharaha mahakasika ny Rahalahy Cappelli, tamin’ny 16 Febroary 2017. Nilaza ny Fitsarana Tampony hoe tsy nanaja ny Lalàm-panorenana any Italia sy ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ireo fitsarana ambany kokoa ireo. Samy miaro ny zon’ny marary hanapa-kevitra mantsy na ny Lalàm-panorenana na ilay Fifanarahana. Mahaliana fa niteny ilay Fitsarana Tampony hoe raha antony ara-pivavahana no mahatonga an’ilay marary tsy hanaiky fomba fitsaboana iray, dia vao mainka tokony hohajaina izany zony izany ary tokony homena toky tsara izy hoe hotanterahina ny faniriany. Nisy vokany tsara iny didy navoakan’ny Fitsarana Tampony iny. Tsy maintsy manaja kokoa ny mpiara-manompo amintsika any Italia izao ny fitsarana any, rehefa manao ny dingana ilaina mba tsy hampidiran-dra izy ireo.

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany fa niaro ny zon’ny mpiara-manompo aminy any Italia ny Fitsarana Tampony. Efa lazain’ny Baiboly mantsy izay tokony hatao amin’ny ra ka henjehin’ny eritreriny izy ireo raha tsy manaraka an’izany.—Asan’ny Apostoly 15:29.