Italia
Fanadinadinana ny Profesora Pia Di Benedetto
“Azo atao ny tsy mampiditra ra, na fandidiana lehibe aza no atao, raha mandinika tsara ny mpitsabo hoe inona avy ireo teknika azo ampiasaina.”
Fanadinadinana ny Profesora Claudio Ronco
“Mahalana be mihitsy izahay vao mampiditra ra amin’ny marary.”
Fanadinadinana ny Profesora Patrizio Mazza
“Tena azo atao tsara ny tsy mampiditra ra rehefa mitsabo olona voan’ny kanseran’ny ra, ohatra hoe voan’ny lymphome, na leucémie, na myélome (Lasa be dia be ny olona voan’ny myélome any amin’ny tany tandrefana).”
Fanadinadinana ny Profesora Alfredo Guglielmi
“Ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatonga anay hitandrina be amin’ny fomba ampiasana ny ra: Ampianay ilay marary mba ho vonona tsara, fantarinay tsara hoe iza no marary mety amin’ny karazana fitsaboana iray, ary ataonay vonona tsara ny ao amin’ny efitra fandidiana mba hahafahanay manao an’izay rehetra azo atao mba tsy hahavery ra be an’ilay olona. Raha tsy ampy ra ilay marary, dia tsaboina tsara aloha izy vao didiana.”