Hijery ny anatiny

Ambony ankavia: Rahalahy maromaro mandefa an’ilay fitaovana fanontam-pirinty tany amin’ny Betela tany Numazu, any Japon, tamin’ny 1972. Ambony ankavanana: Gazety maromaro voalohany natao pirinty tany amin’ny sampan’i Japon. Ambany: Ilay fanontam-pirinty any Ebina, any Japon, amin’izao

4 OKTOBRA 2022
JAPON

Feno 50 Taona Izao no Nanaovana Pirinty Tany Amin’ny Sampan’i Japon

Feno 50 Taona Izao no Nanaovana Pirinty Tany Amin’ny Sampan’i Japon

Feno 50 taona tamin’ity 2022 ity ny nanaovana pirinty tany amin’ny sampan’i Japon.

Lasa nitombo be mihitsy ny isan’ny mpitory satria nazoto nitory ny rahalahy sy anabavy tany Japon sy ny misionera 70 teo ho eo, teo anelanelan’ny taona 1950 sy 1960. Vao mainka nila boky sy gazety ara-baiboly be dia be àry ny mponina tany Japon, ka tapaka ny hevitra hoe hanomboka hanao pirinty Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny sampan’i Japon.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Fiadanana Ambonin’ny Tany” tany Tokyo tamin’ny Oktobra 1969. Nilaza ny Rahalahy Nathan H. Knorr tamin’izay fa hisy sampana vaovao misy fanaovana pirinty haorina any Numazu, tsy lavitra ny Tendrombohitra Fuji.

Rahalahy vitsivitsy mikirakira an’ilay fanaovana pirinty, tamin’ny voalohandohan’ny taona nisian’ilay fanontam-pirinty tany amin’ny Betelan’i Numazu, Japon

Tamin’ny Janoary 1972 no nanomboka naorina ilay sampana vaovao. Tamin’ny 15 Aogositra 1972 dia efa voapetaka ny fanaovana pirinty lehibe iray sy ireo fitaovana hafa ilaina hanamboarana gazety. Ny Mifohaza! 8 Oktobra 1972 no gazety natao pirinty voalohany tao amin’io sampana vaovao io. Nanembonembona erỳ ilay mpanao pirinty taloha tao rehefa nilaza hoe: “Latsaka mihitsy ny ranomasoko nahita an’ilay baoritra be dia be feno gazety efa niandry halefa sambo.”

Nafindra tany amin’ny tranon’ny sampana vaovao any Ebina ny sampan’i Japon tamin’ny 1982. Avo telo henin’ilay tany Numazu ny hangezan’ilay sampana vaovao tany, ary mbola vaovao sy haingam-pandeha lavitra ny fanaovana pirinty sy fitaovana hafa nampiasaina tany. Lasa nanao pirinty Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa ilay sampana, ankoatra ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Lasa namoaka boky sy gazety tamin’ny fiteny 200 mahery koa ry zareo.

Sarin’ireo rahalahintsika vao haingana, tao amin’ilay fanontam-pirinty any Ebina, Japon, manamboatra ny ranomaintin’ilay fitaovana fanontam-pirinty vaovao

Mamoaka Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza 13,2 tapitrisa isam-bolana izao ny fanontam-pirinty any Japon. Nanomboka tamin’ny 2013, dia efa 20 tapitrisa mahery ny Baiboly natao pirinty tany, tamin’ny fiteny 100 mahery, ary nalefa tany amin’ny tany 50 mahery eran-tany izany.

Nisy 13 000 teo ho eo ny isan’ny mpitory tany Japon tamin’ny 1972. Lasa 213 000 mahery anefa izany, 50 taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ity 2022 ity. Tena faly isika hoe nahavita nampandroso be ny asan’ilay Fanjakana tany Japon sy naneran-tany io fanontam-pirinty io.​—Matio 28:19, 20.