Hijery ny anatiny

17 SEPTAMBRA 2019
JAPON

Namely An’i Japon ny Rivo-doza Faxai

Namely An’i Japon ny Rivo-doza Faxai

Niditra an-tanety tao akaikin’i Tokyo, any Japon, ny Rivo-doza Faxai, tamin’ny 9 Septambra 2019. Nahatratra 180 kilaometatra isan’ora ny herin’ilay rivo-doza ary tapaka ny herinaratra tamin’ny trano 580000. Telo, fara fahakeliny, ny olona maty.

Nanao tatitra ny biraon’ny sampan’i Japon hoe tsy nisy mpiara-manompo maty saingy rahalahy sy anabavy fito no naratra. Efitrano Fivoriambe iray any Chiba sy Efitrano Fanjakana 28 ary trano 895 an’ireo rahalahy sy anabavintsika no simba, araka ny tatitra voalohandohany.

Mbola mamantatra ny vokatr’ilay Rivo-doza Faxai eo amin’ny mpiara-manompo amintsika ny sampana, hatramin’izao. Mivavaka isika mba hanohana ny rahalahy sy anabavintsika tratran’iny loza iny foana i Jehovah, “ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana.”—Romanina 15:5.