Hijery ny anatiny

23 OKTOBRA 2019
JAPON

Namely An’i Japon ny Rivo-doza Hagibis

Namely An’i Japon ny Rivo-doza Hagibis

Namely an’i Japon ny Rivo-doza Hagibis tamin’ny 12 sy 13 Oktobra 2019 ka olona 77, fara fahakeliny, no maty ary nisy tondra-drano be. Trano an’aliny no tratran’ny fahatapahan’ny jiro sy rano. Eo am-pitadiavana ny olona tsy hita izao ny mponina any Japon. Voalaza fa iny no rivo-doza mahery vaika indrindra namely an’i Japon hatramin’ny 1958. Nahatratra 889 milimetatra ny rotsakorana tany amin’ny faritra sasany.

Nantsoina daholo ny mpiara-manompo amintsika ka hita hoe tsy nisy maty tamin’ilay rivo-doza fa folo kosa no naratra. Trano 1200 mahery ipetrahan’ny mpiara-manompo sy Efitrano Fanjakana 23 koa no simba. Ny telo amin’ireo Efitrano ireo izao no tsy azo ampiasana satria feno rano na tsy misy jiro. Nisy simba kely koa ny Efitrano Fivoriambe any Tochigi.

Nasiana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) any Fukushima sy Nagano. Mety hasiana KVRV koa any amin’ny faritra hafa, arakaraka ny fahasimbana nentin’ilay rivo-doza. Efa omena sakafo sy rano izao ny mpiara-manompo amintsika tra-boina. Asaina mampahery ny rahalahy sy anabavy amin’ny alalan’ny Baiboly koa ny mpiandraikitra ny faritra any.

Matoky isika hoe fialofana ho an’ny mpiara-manompo amintsika foana i Jehovah amin’izao loza mitranga izao.—Salamo 142:5.