Hijery ny anatiny

12 NOVAMBRA 2013
JAPON

Namely An’i Japon ny Rivo-doza Wipha

Namely An’i Japon ny Rivo-doza Wipha

Nandravarava ny morontsiraka atsinanan’i Japon ny Rivo-doza Wipha tamin’ny 16 Oktobra 2013. I Oshima, nosy kely any amin’ny 120 kilaometatra any atsimon’i Tokyo, no anisan’ny voa mafy indrindra. Nitondra oram-be ilay rivo-doza ary nahatratra 84 santimetatra ny rotsakorana. Tondraka àry ny renirano, be dia be ny tany nihotsaka, ary tsy latsaka ny 35 ny olona maty. Nilaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon fa tsy nisy Vavolombelona naratra na namoy ny ainy, tao amin’ny fiangonana any Oshima. Simba be ny tafon’ny fianakaviana Vavolombelona iray, ka nifarimbona nanamboatra an’ilay izy ny fiangonana. Nanampy ny mpiara-monina taminy koa ny Vavolombelona tany an-toerana, sady nampahery azy ireo tamin’ny alalan’ny Soratra Masina.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Japon: Shiro Hayasaki, tel +81 46 233 0005