Hijery ny anatiny

Onja avo be mitontona eo akaikin’ny arabe iray, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Japon

10 OKTOBRA 2019
JAPON

Namely ny Faritra Atsimon’i Japon ny Rivo-doza Tapah

Namely ny Faritra Atsimon’i Japon ny Rivo-doza Tapah

Nitondra rivo-mahery sy oram-be tany amin’ny faritra atsimon’i Japon ny Rivo-doza Tapah, tamin’ny 21 ka hatramin’ny 23 Septambra 2019. Tsy navela handeha ny fiarandalamby sy ny fiaramanidina maro, vokatr’izany, ary tapaka ny jiro tany amin’ny trano 30000 mahery. Olona 50 mahery no naratra tany Okinawa sy Kyushu.

Milaza ny biraon’ny sampan’i Japon hoe mpitory dimy no naratra, anisan’izany ny anabavy iray tsy maintsy nampidirina hopitaly. Trano 50 mahery ipetrahan’ny mpiara-manompo koa no simba. Mikarakara an’izay ilain’ny mpitory sy mampahery azy ireo ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky sy ny rahalahy manana andraikitra. Mbola mijery ny vokatr’iny rivo-doza iny ny sampan’i Japon sady mandefa fanampiana.

Mivavaka isika mba hitoky amin’i Jehovah foana ny mpiara-manompo any Japon amin’izao loza mianjady amin’izy ireo izao.—Salamo 94:19.