Hijery ny anatiny

Trano simban’ilay Rivo-doza Shanshan, any Miyazaki any Japon

5 SEPTAMBRA 2024
JAPON

Nandravarava An’i Japon ny Rivo-doza Shanshan

Nandravarava An’i Japon ny Rivo-doza Shanshan

Niditra an-tanety tao amin’ny Faritr’i Kagoshima any Japon ilay Rivo-doza Shanshan, tamin’ny 29 Aogositra 2024, ary efa ho 160 kilaometatra isan’ora ny rivotra nentiny. Nahatratra 40 santimetatra mahery ny rotsakorana tany amin’ny toerana sasany any amin’ny faritr’i Kanto sy Kyushu ary Tokai, tao anatin’ny 48 ora fotsiny, ary sambany vao nisy hoatr’izany. Nahatonga fihotsahan’ny tany sy tondra-drano ilay oram-be, ka nisy lalana sy trano simba. Olona 120 mahery no naratra, ary 8 no maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty

  • Mpitory 3 no naratra

  • Trano 245 no nisy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 8 no nisy simba kely

  • Voatery nahemotra ny datin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sasany tany amin’ny toerana nandalovan’ilay rivo-doza

Fanampiana tra-boina

  • Mampahery an’ireo tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana, ary manome izay fanampiana ilain-dry zareo

Na dia mampalahelo be sy mampahory antsika aza amin’izao ny loza toa an’iny rivo-doza iny, dia mahazo hery avy amin’i Jehovah Andriamanitra ilay “mpanampy sy mpampionona” antsika isika.​—Salamo 86:17.