23 JOLAY 2020
JAPON
Oram-be sy Tondra-drano Nandravarava Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Japon
Betsaka kokoa noho ny mahazatra ny oram-be tany Japon, tamin’ny voalohandohan’ny volana Jolay 2020. Lasa nisy tondra-drano sy tany nihotsaka tany Kyushu vokatr’izany. Ireo rahalahy sy anabavintsika any amin’ny tanànan’i Minamata sy Hitoyoshi, any amin’ny faritr’i Kumamoto, sy any amin’ny tanànan’i Omuta, any amin’ny faritr’i Fukuoka, no tena tratran’ilay loza. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah namoy ny ainy, fa rahalahy iray sy anabavy iray no naratra kely. Trano 48 an’ny mpiara-manompo sy Efitrano Fanjakana roa no simban’ny tondra-drano. Efitrano Fanjakana roa hafa no simban’ny tany nihotsaka.
Mikarakara an’izay fanampiana tena ilaina ho an’ireo tratran’ilay tondra-drano izao ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky any Kyushu sy Okinawa, izay efa notendren’ny sampan’i Japon hikarakara ny fanampiana ilaina mifandray amin’ny COVID-19. Mandray anjara amin’izay fanampiana ilaina maika koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny solontenan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana.
Mivavaka isika mba hanohana foana an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’io loza io i Jehovah, “ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana.”—Romanina 15:5.