Hijery ny anatiny

4 Janoary, 2024
JAPON

Ravaravan’ny Horohoron-tany Mahery Vaika ny Saikinosin’i Noto, any Japon

Ravaravan’ny Horohoron-tany Mahery Vaika ny Saikinosin’i Noto, any Japon

Nisy horohoron-tany nahatratra 7,6 amin’ny maridrefy Richter namely ny Saikinosin’i Noto, any amin’ny faritr’i Ishikawa, any afovoanin’i Japon, tamin’ny 1 Janoary 2024. Nisy horohoron-tany kely maromaro taorian’io horohoron-tany mahery vaika io, ka be dia be ny trano sy lalana ravarava tany amin’ilay faritra. Maherin’ny 33 000 ny olona tsy maintsy nafindra toerana. Nisy 400 teo ho eo koa ny naratra, dia nisy 78 no maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty ny rahalahy sy anabavy

  • Rahalahy 1 no naratra kely

  • Maherin’ny 150 ny rahalahy sy anabavy nafindra toerana

  • Trano 2 no rava tanteraka

  • Trano 7 no nisy simba be

  • Trano maherin’ny 100 no nisy simba

  • Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba be

  • Efitrano Fanjakana 8 no nisy simba

Fanampiana tra-boina

  • Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray notendrena handamina ny fanampiana tra-boina

  • Nisy solontena avy any amin’ny biraon’ny sampan’i Japon nirahina mba hampahery tany amin’ilay faritra tratran’ny loza. Manampy sy manome fampaherezana ara-baiboly any amin’ilay toerana tratran’ilay loza koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy

Matoky isika hoe ‘fialofana azo antoka’ ho an’ny rahalahy sy anabavintsika any Japon i Jehovah, dia hampionona sy hanome ny hery ilain’izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao.​—Salamo 18:2.