Hijery ny anatiny

Tranon’ny mpiara-manompo simban’ilay rivo-doza

18 NOVAMBRA 2019
JAPON

Rivo-doza Bualoi: Farany Namely An’i Japon

Rivo-doza Bualoi: Farany Namely An’i Japon

Simba be ny morontsiraka atsinanan’i Japon rehefa nandalo tany ny Rivo-doza Bualoi, tamin’ny 25 sy 26 Oktobra 2019. Efa namely ny faritra atsinanan’i Japon koa ny Rivo-doza Faxai sy Hagibis nanomboka tamin’ny Septambra. Renirano maromaro no tondraka vokatr’ilay Rivo-doza Bualoi, ka niteraka tondra-drano be. Nisy 81, fara fahakeliny, ny tranon’ny mpiara-manompo simba. Tsy nisy mpiara-manompo maty, saingy anabavy iray no naratra. Mijaly ny rahalahy sy anabavy any amin’ny faritr’i Chiba satria nolalovan’ireo rivo-doza telo ireo.

Efa manampy ny tra-boina tratran’ny Rivo-doza Faxai sy Hagibis ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) telo. Miezaka manampy ny tra-boina tratran’ny Rivo-doza Bualoi koa izao ireo KVRV ireo. Ampian’ny sampan’i Japon ireo komity ireo rehefa mikarakara ny fanadiovana sy fanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny mpiara-manompo sy ny toy izany, satria izany no anisan’ny tena ilainy maika. Mandamina ny fampaherezana an’ireo rahalahy sy anabavy ny mpiandraikitra ny faritra.

Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika any Japon isika amin’izao fotoan-tsarotra mahazo azy ireo izao. Matoky isika hoe karakarain’i Jehovah ny olona “ketraka” vokatr’ireny rivo-doza nisesisesy ireny.—Salamo 34:18.