10 SEPTAMBRA 2019
JAPON
Tondra-drano Tany Japon
Avy be ny orana tany amin’ny faritr’i Kyushu any Japon, tamin’ny 28 Aogositra 2019, ka niteraka tondra-drano. Olona 800000 mahery no tsy maintsy nafindra toerana satria tondraka ny renirano ary atahorana hisy tany hihotsaka. Milaza ny sampan’i Japon fa mpitory 82 no nafindra toerana. Araka ny tatitra farany dia 40 ny tranon’ny rahalahy sy anabavy simban’ilay tondra-drano ary Efitrano Fanjakana iray no nisy fahasimbana kely.
Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny sampan’i Japon mba hikarakara an’ireo mpiara-manompo tra-boina. Miara-miasa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy ary ny mpitory hafa mba hampaherezana ny mpiara-manompo amin’ny alalan’ny Baiboly sy hanomezana an’izay ilainy, ohatra hoe sakafo na akanjo. Faly isika fa maro no be fitiavana ka vonona hanampy an’ireo mpiara-manompo aminy.—2 Korintianina 8:4.