Hijery ny anatiny

28 SEPTAMBRA 2018
JAPON

Japon: Horohoron-tany Tany Hokkaido

Japon: Horohoron-tany Tany Hokkaido

Nisy horohoron-tany nahatratra 6,7 amin’ny maridrefy Richter namely an’i Hokkaido, nosy any amin’ny faritra avaratr’i Japon, tamin’ny 6 Septambra 2018. Olona 41 no maty vokatr’ilay horohoron-tany ary tapaka ny herinaratra ka lasa nanahirana ny fitateram-bahoaka sy ny fifandraisan’ny olona tao amin’ilay nosy.

Milaza ny biraon’ny sampan’i Japon fa tsy nisy namoy ny ainy ireo rahalahy sy anabavintsika, saingy fito no naratra noho ilay horohoron-tany. Trano 100 an’ny Vavolombelona sy Efitrano Fanjakana 4 kosa no simba.

Tsy ela taorian’ilay horohoron-tany, dia nanampy an’ireo rahalahintsika tra-boina ny mpitory ka ny biraon’ny sampana no niandraikitra ny fandaharam-panampiana. Nanome sakafo sy rano ary zavatra hafa tena ilaina izy ireo. Natsangana koa ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba handamina fanampiana mandritra ny fotoana maharitra.

Mivavaka amin’i Jehovah isika mba homeny fiadanan-tsaina sy fo tony ireo rahalahy sy anabavintsika tra-boina vokatr’iny horohoron-tany iny.—Filipianina 4:6, 7.