Hijery ny anatiny

24 APRILY 2017
JAPON

Nanamboatra Trano 300 Mahery Simban’ny Horohoron-tany Tany Japon ny Mpiasa An-tsitrapo Vavolombelona

Nanamboatra Trano 300 Mahery Simban’ny Horohoron-tany Tany Japon ny Mpiasa An-tsitrapo Vavolombelona

Vavolombelona manamboatra ny valindrihana simba amin’ny trano iray any Koshi.

EBINA, Japon: Namboarin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon ny trano 348, izay an’ny mpiray finoana amin’izy ireo. Nisy horohoron-tany namely an’i Kumamoto, any Japon mantsy tamin’ny 14 sy 16 Aprily 2016 ka maro ny trano simba. Mpiasa an-tsitrapo 15 000 no nandray anjara tamin’ny asa fanorenana mba hanampiana ny tra-boina, nanomboka tamin’ny Jolay 2016 ka hatramin’ny Martsa 2017.

Na dia tsy nisy Vavolombelona maty noho ilay horohoron-tany aza, dia nisy Vavolombelona 119 voatery nandao ny tranony. Nasaina nialokaloka tao amin’ny Efitrano Fanjakana 15 na toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo tsy maintsy nafindra toerana, tamin’ny voalohany. Nesorin’ny mpiasa an-tsitrapo ny potipoti-javatra tao amin’ny tranon’izy ireo tamin’izay.

Ekipana mpanao trano 6 mametraka tafo vaovao eo amin’ny trano iray simba, any amin’ny tananan’i Chimachi.

Tamin’ny 25 Jolay 2016 ilay asa fanamboarana no natomboky ny Vavolombelona. Namboarin’izy ireo, ohatra, ny trano nisy tresaka, ny gorodona, ny rindrina anatiny, ny tafo sy ny fantson-drano. Nosoloana koa ny varavarana sy varavaran-kely ary ny fampangatsiahan-drivotra.

Mpiasa an-tsitrapo manamboatra trano iray simba, any amin’ny tanànan’i Mashiki.

Nandinika an’ilay asa fanorenana nataon’ny Vavolombelona i Atoa Minoru Kono, izay manam-pahefana taloha tao amin’ny tafik’i Japon, ary niteny hoe: “Tena ilaina ny manao zavatra haingana raha te hamonjy aina, ao amin’ny sehatr’asa misy anay. Tonga dia nanao zavatra koa ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ilay horohoron-tany tao Kumamoto, satria nalaky be ry zareo dia tonga nanampy tao amin’ilay faritra nisy tra-boina. Gaga aho rehefa nanomboka nanao an’ilay asa ny Vavolombelona. Hitako mantsy hoe tsy olona tsy mpanao trano no nanampy, fa mpanao trano efa za-draharaha avy amin’ny faritra rehetra manerana an’i Japon. Tena tia manampy sy mazoto miasa ny mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona.”

Mpiasa an-tsitrapo manala ny tafo tanimanga simba sy mametraka vaovao any Kikuchi.

Vavolombelona iray mitondra rihitra simenitra mankao amin’ny trano iray simba, mba hanamafisana ny fototr’ilay trano, any Uki.

Hoy i Ichiki Matsunaga, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon: “Niezaka niarina sy nanorina niaraka tamin’ireo tra-boina noho ilay horohoron-tany tao Kumamoto izahay, nandritra an’ireo volana lasa. Tena nampionona sy nanatanjaka anay ny fanampian’ireo mpiray finoana aminay taorian’io loza io.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1 845 524 3000

Japon: Ichiki Matsunaga, +81 46 233 0005