Hijery ny anatiny

10 OKTOBRA 2018
JAPON

Trami: Ilay Rivo-doza Namely An’i Japon vao Haingana

Trami: Ilay Rivo-doza Namely An’i Japon vao Haingana

Namely ny faritra atsimon’i Japon ny Rivo-doza Trami, ny alahady 30 Septambra 2018 ary nitondra rivotra mahery sy oram-be nivatravatra. Efa nihena ny heriny rehefa nizotra nianavaratra, ary efa nahatratra an’i Tokyo ilay izy ny alatsinainy 1 Oktobra. Olona 3 no maty, 200 teo ho eo no naratra, ary trano 1300000 mahery no tsy misy herinaratra.

Ny nosy Okinawa, any amin’ny faritra atsimon’i Japon, no voa mafy indrindra, araka ny tatitra avy amin’ny mpiandraikitra ny faritra. Ny tatitra voalohandohany natao tany amin’ny faritra telo any Okinawa no nahitana hoe tsy nisy maty ny rahalahintsika tany, sivy kosa no naratra, ary trano 120 teo ho eo sy Efitrano Fanjakana 5 no simba. Nanimba Efitrano Fanjakana 41 hafa koa ilay rivo-doza rehefa nandalo faritra hafa any Japon.

Mbola manohy ny fanadihadiana ny mpiandraikitra ny faritra sy ireo anisan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana mba hanombana ny fahavoazana misy sady handamina ny fomba hanampiana an’ireo rahalahy sy ny fomba hampaherezana azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly.

Mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo amintsika tratran’iny loza izy sy ny loza hafa nitranga tato ho ato tany Japon isika. Matoky isika hoe hampionona ny fon’ireo rahalahintsika sy hampahery azy ireo foana i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—2 Tesalonianina 2:17.