26 NOVAMBRA 2014
JAPON
Ampian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Tra-boina any Hiroshima
EBINA, any Japon—Nisy oram-be nivatravatra tany Hiroshima ny marainan’ny 20 Aogositra 2014. Nitera-doza ilay izy satria nisy tany nihotsaka, ka olona 74 teo ho eo no maty ary 1600 mahery no tsy maintsy nafindra toerana. Nilaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon fa tsy nisy Vavolombelona maty na naratra. Valo kosa ny tranon’ny Vavolombelona simba.
Nahatratra 218 milimetatra teo ho eo ny haavon’ny rotsakorana tao anatin’ny adiny telo monja ka be dia be ny zavatra simba. Nanao ezaka be hamonjena an’ireo tra-boina àry ny fanjakana. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky avy hatrany koa ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon, ary nandefa mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona mba hanampy hanala ny fotaka sy fasika tafiditra tany an-tranon’olona. Nilahatra lava be izy ireo rehefa nanao izany, ary nampitampitainy izay fako tafavoaka avy tao anaty trano mba ho mora voatatitra. Nangonin’izy ireo koa izay entana mbola azo nampiasaina ary nasiany fanafody mamono mikraoba izay toerana voadio.
Nitantara ny zavatra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ny gazety Yomiuri Shimbun. Kayoko Nakamizo no anarany ary mipetraka any Yagi, any Asaminami izy. Nilaza ilay gazety hoe tafavoaka avy tao an-tranony izy ary “nandondòna isam-baravarana mba hijery raha tsy naninona ny mpiray tanàna taminy.” Nahavita nanavotra olona iray àry izy sady afaka nanampy olon-kafa hiala teo amin’ilay faritra niharan-doza.
Hoy i Ichiki Matsunaga, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Japon: “Miara-miory amin’ireo tra-boina izahay. Miezaka ny tsy ho kivy izahay na dia mandalo fotoan-tsarotra aza, fa manao izay azonay atao kosa mba hanampiana sy hampaherezana ny mpiara-monina aminay.”
Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:
Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000
Japon: Ichiki Matsunaga, tel. +81 46 233 0005