Hijery ny anatiny

Handeha hiasa ny Rahalahy sy Ranabavy Mudaheranwa, mpivady mpisava lalana

6 APRILY 2020
KANADA

Milamin-tsaina ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra

Milamin-tsaina ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra

Mikarakara olona voan’ny coronavirus any Montréal, Kanada, ny Rahalahy Jean-Yves sy ny vadiny, Vasthie Mudaheranwa. Dokotera ao amin’ny hopitaly iray ny Rahalahy Mudaheranwa, ary mpitsabo mpanampy ao amin’ny toerana fitsaboana olona voan’ny COVID-19 ny Ranabavy Mudaheranwa. Be dia be izao no mitaintaina sy matahotra mafy, nefa mangataka hery amin’i Jehovah izy mivady ka milamin-tsaina, araka ny nampanantenain’i Jehovah.—Isaia 65:14.

Hoy ny Rahalahy Mudaheranwa: “Be dia be ny mpiara-miasa amiko matahotra be. Mbola tsy nahita an-dry zareo natahotra hoatr’izany aho!” Hoy koa ny Ranabavy Mudaheranwa: “Tena manampy ny mianatra samirery. Amin’iny mantsy ianao misaintsaina ny famantarana ny andro farany, dia mampahatsiahy ny tenanao hoe eo foana i Jehovah fa tsy hanary antsika mihitsy. Manampy be anay koa ny vavaka. Mivavaka aho alohan’ny handehanako miasa dia tony tsara aho avy eo.”

Mivory miaraka amin’ny fiangonana izy mivady

Izao no nohazavain’ny Rahalahy Mudaheranwa: “Avy any Rwanda aho dia niaina nandritra an’ilay fandripahana foko. Tsy hoatran’ny tany mihitsy anefa ny fiainana eto Kanada, dia indraindray ianao manadino hoe efa andro farany izao. Tsoriko fa hadinodinoko indraindray hoe efa akaiky ny andron’i Jehovah. Ny fiparitahan’ity valanaretina ity no manamafy ny finoako hoe andro farany izao, ary vao mainka aho mino ny Baiboly sy ny faminaniana resahiny.”

Manana finoana matanjaka hoatran’ny Rahalahy sy Ranabavy Mudaheranwa ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, ary milamin-tsaina foana ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao.—Isaia 48:18.