26 NOVAMBRA 2021
KANADA
Oram-be Niteraka Tondra-drano Tany Amin’ny Faritra Andrefan’i Kanada
Avy be ny orana tany Kolombia Britanika, faritra andrefan’i Kanada, nanomboka tamin’ny 13 Novambra ka hatramin’ny 15 Novambra 2021. Tany amin’ny faritra 20 isa aza dia, naharitra iray andro mahery ny rotsakorana. Nahatratra 250 milimetatra koa ny rotsakorana tany amin’ny toerana sasany, nandritra ny telo andro. Nisy tondra-drano sy tany nihotsaka vokatr’ilay rotsakorana. Noho izany, dia tapaka ny lalambe sasany, olona maro no tsy maintsy nafindra trano,ary betsaka koa ny vahiny tsy afaka niala tao amin’ilay faritra.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy naratra ireo rahalahy sy anabavintsika
Mpitory 144 no nafindra toerana
Trano 35, fara fahakeliny, no simba
Fanampiana tra-boina
Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) anankiray ny sampan’i Kanada mba hikarakara ny tra-boina
Nivantana tany amin’ny fianakaviana sy ny mpiara-manompo nipetraka tany amin’ny toerana azo antoka ireo rahalahy sy anabavy nafindra toerana
Nitondra fampiononana sy fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ireo fianakaviana tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy anti-panahy
Nijery an’izay trano simba sy izay fanamboarana tokony hatao amin’izy ireny ny KVRV, tany amin’izay toerana nolazain’ny manam-pahefana hoe tsy mampidi-doza. Niara niasa tamin’ny ekipa mpanao fanorenana eo an-toerana ry zareo
Nanaja ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanampiana tra-boina
Betsaka tamin’ireo Vavolombelona tra-boina ireo no efa nafindra toerana hoatr’izany telo volana talohan’izay. Nisy afo nandravarava mantsy tany amin’ny toerana nisy azy ireo tamin’ny Aogositra 2021. Mifanesisesy amin’izao ny loza araka ny natiora, dia miharatsy be koa ny toetrandro. Mahavita miatrika an’ireny loza ireny anefa ny vahoakan’i Jehovah satria manaraka an’ilay toromarika hoe atao vonona foana ny kitapo misy sakafo sy izay zavatra hafa tena ilaina.
Mety hihabetsaka sy hihamafy ny fahoriana vokatry ny loza araka ny natiora. Mino anefa isika hoe manana hery hamonjena antsika i Jehovah.—Habakoka 3:17, 18.