Hijery ny anatiny

Fiaran’ny polisy mibahana ny lalana mankeo amin’ny tetezana iray any Sainte-Marie-de-Beauce, any Québec

17 MEY 2019
KANADA

Tondra-drano Be any Kanada

Tondra-drano Be any Kanada

Tsy maintsy niala ny tranony ny olona an’arivony tao amin’ny faritanin’i New Brunswick sy Ontario ary Québec satria nisy tondra-drano. Tao amin’ny faritanin’i Québec fotsiny, dia efa olona 9000 teo ho eo no niala ny tranony.

Nilaza ny sampan’i Kanada fa trano 44 an’ny mpiara-manompo no simba, any Québec. Mbola tsy misy tatitra voaray momba ny fahasimbana any New Brunswick sy Ontario kosa aloha hatreto, fa mbola misy tondra-drano any hatramin’izao.

Miara-miasa amin’ny anti-panahy any amin’ny toerana tratran’ilay loza any Québec ny mpiandraikitra ny faritra mba hampahery ny mpitory. Tonga nampahery an’ireo tany amin’ny faritra tena voa mafy koa ny rahalahy avy any amin’ny Betela. Efa nanomboka nanadio sahady ny rahalahy sy anabavy any Beauce, ary efa nanala fotaka tamin’ny trano 20 an’ny mpiara-manompo. Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky natsangana tany Sainte-Marthe-sur-le-Lac mba hanampy an’ireo nanana trano simba.

Mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo tratran’iny tondra-drano vao haingana iny isika mba hatoky an’i Jehovah foana izy ireo, satria izy no ‘tanjaka sy herin’izy ireo.’—Eksodosy 15:2.