Hijery ny anatiny

17 JOLAY 2013
KANADA

Tondra-drano Tany Alberta

Tondra-drano Tany Alberta

Nisy oram-baratra niteraka tondra-drano be tany amin’ny faritr’i Alberta, any Kanada, nanomboka tamin’ny 19 Jona 2013. Olona 4, fara fahakeliny, no maty ary 100 000 mahery no voatery nafindra toerana. Vavolombelon’i Jehovah 298 no tsy maintsy nafindra toerana avy hatrany, ary voatery nahemotra koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra saika hataon’ny Vavolombelona tao amin’ny kianjabe Saddledome, ao Calgary, any Alberta. Nisy 58 ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah simban’ilay tondra-drano, tany High River, ary simba be koa ny Efitrano Fanjakana. Nanome fanampiana an’ireo tra-boina ny anti-panahy Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, izay anisan’ny komitin’ny vonjy rano vaky. Nisy solontena avy any amin’ny biraon’ny sampan’i Kanada koa tonga tany amin’ilay toerana tratran’ilay loza, mba hampahery azy ireo tamin’ny alalan’ny Baiboly.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Kanada: Mark Ruge, tel. +1 905 873 4100