26 JOLAY 2019
KANADA
Toronto, Kanada: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 19-21 Jolay 2019
Toerana: Exhibition Place any Toronto, any Kanada
Fiteny: Anglisy, espaniola, portogey
Tampon’isan’ny mpanatrika: 46183
Tontalin’ny natao batisa: 317
Solontena avy any ivelany: 5000
Sampana nasaina: Amerika Afovoany, Brezila, Etazonia, Failandy, Grande-Bretagne, Inde, Japon, Korea, Philippines, Ukraine
Fitantarana: Hoy i Laura Purdy, anisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Exhibition Place: “Tena notanterahin’ilay komitin’ny fivoriambe [an’ny Vavolombelon’i Jehovah] daholo izay nolazainy. Nilaza izy ireo hoe hanao zavatra maromaro mba hanatsarana an’ilay toerana hanaovana fivoriambe.” “Nikarokaroka kely izahay dia nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny toerana hafa efa nanaovana an’ilay fivoriambe. Hitanay hoe mba nahatsapa hoatran’ny tsapanay koa ry zareo!” Hoy koa izy: “Nahafinaritra daholo ny olona sady sariaka. Tena mampirisika ny tompon’andraikitra hafa aho hoe raiso [ny Vavolombelon’i Jehovah] raha te hanao fivoriambe any aminareo.”
Rahalahy sy anabavy miarahaba tonga soa an’ireo solontena avy any ivelany, ao amin’ny seranam-piaramanidina any Toronto
Vahiny faly miara-manompo amin’ny mpitory any Toronto
Betelita mitendry zavamaneno ho an’ny vahiny mandritra ny fitsidihan’izy ireo ny sampan’i Kanada
Ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, manao ny lahateny famaranana ny zoma
Iray amin’ireo rahalahy sy anabavy 317 natao batisa, ny asabotsy
Rahalahy sy anabavy mandray an-tsoratra
Mankeny akaikin’ny lampihazo ny misionera sy ny mpanompo manontolo andro manokana hafa, ary mankasitraka ny asa mafy ataon’izy ireo ny mpanatrika ka mitehaka
Anabavy dimy manao fampisehoana ny fandraisam-peo tao amin’ny radio CKCX, izay tany Toronto, Kanada, taorian’ny 1920. Efa nanana radio tany amin’ny tanàna efatra any Kanada ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny), tamin’ny 1926. Anisan’ny nampiavaka ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kanada izany
Rahalahy mitarika ankizy hihira, mandritra ny iray amin’ireo fandaharana manokana natao ho an’ny solontena avy any ivelany