Hijery ny anatiny

Efitrano Fanjakana vaovao any Iqaluit, Kanada. Lavitra be ilay toerana ka tsy maintsy nangonina tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray tany Ontario aloha ny fitaovana fanaovana fanorenana dia izay vao nalefa sambo tany an-toerana

28 OKTOBRA 2022
KANADA

Vita Ihany Ilay Efitrano Fanjakana any Amin’ny “Toerana Be Trondro” any Kanada

Vita Ihany Ilay Efitrano Fanjakana any Amin’ny “Toerana Be Trondro” any Kanada

Izay vao nahazo Efitrano Fanjakana ny Fiangonana Iqaluit any Iqaluit, Nunavut, any Kanada. Tamin’ny 14 Oktobra 2022 no vitan’ny mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana ilay Efitrano Fanjakana nisy seza 50. Any amin’ny faritra avaratra indrindra any Kanada no misy an’io Efitrano Vaovao io. Tamin’ny 2010 no nanomboka nisy ny Fiangonana Iqaluit, ary efitra fanaovan’ny sekoly fanatanjahan-tena no nivorian-dry zareo.

Taterina ireo fitaovana fanaovana fanorenana satria mba midina ny rano

Tena sarotra io tetikasa io, kanefa vao mainka nampitarazoka azy ilay nisy valanaretina nandritra ny roa taona. Midika hoe “toerana be trondro” ny hoe Iqaluit, ary any amin’ny Helodranon’i Frobisher, any amin’ny Nosy Baffin no misy azy. Mandeha raoplanina na sambo ihany vao tonga any. Tsy misy fitaovana fanorenana koa any. Tsy maintsy hafarana dia alefa sambo àry ny fitaovana rehetra. Ratsiratsy koa ny toetrandro any, ka manomboka volana Aogositra ka hatramin’ny Oktobra ihany no afaka manorina trano.

Falifaly erỳ ireo mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana

Nisy 127 taonina ny fitaovana fanorenana nangonina. Napetraka tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray tany Ontario aloha ilay izy. Natao tao anaty kaontenera 12 sy baoritra telo ngezabe ireo avy eo, dia nalefa tany amin’ny seranan-tsambo any akaikin’i Montréal any Québec. Avy eo indray ilay izy no nalefa sambo namakivaky ny Ranomasin’i St. Lawrence, dia nivoaka teo amin’ny Oseana Atlantika, dia farany tonga tany amin’ny Helodranon’i Frobisher. Tsy afaka mandray sambo ngezabe eo amin’ilay helodranomasina, ka tsy maintsy notaterina tamin’ny baka daholo ireo kaontenera ireo. Nisy sambo hafa nitarika an’ireo baka ireo teny amin’ny rano marivorivo. Dia rehefa nidina iny ny rano, dia nobataina ireo kaontenera ireo ka nentina teny an-tanety.

Natao mahazaka ny toetrandro ratsy any Iqaluit ny planin’ilay Efitrano Fanjakana rehefa namboarina. Milatsaka 30 degre ambanin’ny zero mantsy ny hatsiaka any rehefa ririnina.

Mpiasa an-tsitrapo 40 teo ho eo no tonga avy any amin’ny faritany enina, mba hanao fanorenana any amin’io toerana lavitra io. Hoy ny Rahalahy Jason McGregor, anisan’ny mpiasa an-tsitrapo: “Be dia be ny olana rehefa nitatitra ny fitaovana hanaovana fanorenana nankany amin’io faritra avaratra lavitra be io. Nisy olana be dia be tsy nampoizina koa avy eo. Tsy nisy nahasakana an’i Jehovah tsy hamita an’ilay izy anefa ireo rehetra ireo. Tena nanatanjaka finoana ny nahita ny fandrosoan’ilay izy isan’andro.”

Miara-paly amin’ireo mpiara-manompo amintsika any Kanada ireo isika, noho ry zareo nahazo Efitrano Fanjakana vaovao any amin’io “toerana be trondro” io. Ry zareo koa moa mbola manohy an’ilay asa mamonjy aina, satria “mpanarato olona.”​—Matio 4:19.