Hijery ny anatiny

25 JOLAY 2017
KANADA

Nandravarava An’i Kolombia Britanika ny Afo ka Tavela Tany Amin’ny Toerana Nanaovany Fivoriambe ny Vavolombelona

Nandravarava An’i Kolombia Britanika ny Afo ka Tavela Tany Amin’ny Toerana Nanaovany Fivoriambe ny Vavolombelona

Fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 130 mahery no tsy afaka nody tany an-tranony rehefa avy nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra fanaon’izy ireo isan-taona, tamin’ny 7-9 Jolay 2017. Nisy ala nirehitra mantsy tany atsimon’i Prince George, any Kolombia Britanika, ka nasain’ny manam-pahefana niala tao amin’ilay faritra ny mponina tao.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ontario, any Kanada, mba hanome trano sy sakafo ho an’ireo Vavolombelona tra-boina. Tao amin’ny kianjan’ny CN Centre no natao ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra, ary Vavolombelona 2500 teo ho eo no nanatrika azy io. Nanome alalana an’ireo Vavolombelona ireo mba hanajanona ny tranofiarany teo amin’io toerana io ireo tompon’andraikitra tao, ka mba nahazo trano vonjimaika aloha ry zareo.

Manamora ny fanampiana an’ireo tra-boina ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia, ka ny vola fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany no ampiasain’izy ireo amin’izany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Kanada: Matthieu Rozon, +1-905-873-4100