Hijery ny anatiny

Ankavia: Fitsarana Miaramila ao Amin’ny Repoblikan’i Kazakhstan. Sary kely anatiny: Dika soratr’ireo didim-pitsarana tany Kazakhstan tamin’ny Novambra 2023 sy Aprily 2024 mahakasika ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana

31 MEY 2024
KAZAKHSTAN

Nisy Didim-pitsarana Navoaka Tany Kazakhstan hoe Manana Zo Tsy Hanao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany ny Olona Tsirairay

Nisy Didim-pitsarana Navoaka Tany Kazakhstan hoe Manana Zo Tsy Hanao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany ny Olona Tsirairay

Nisy didim-pitsarana navoaka tany Kazakhstan tamin’ny 23 Mey 2024 hoe manana zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany sy ny zavatra inoany ny olona tsirairay. Mifandray amin’ny raharaha mahakasika an’ilay rahalahy 20 taona atao hoe Daniil Smal io didy io. Nolazain’ny mpitsara hoe “hafa mihitsy” io raharaha io.

Voantso tany amin’ny birao miandraikitra ny fiantsoana miaramila i Daniil, herintaona talohan’ilay didy, izany hoe tamin’ny 17 Mey 2023. Nanazava ny zavatra inoany tamim-panajana izy tamin’izay. Nisy taratasy ara-dalàna koa naseho an’ireo tompon’andraikitra tao amin’ilay birao manaporofo hoe mahafeno fepetra tsy hanao miaramila noho ny zavatra inoany i Daniil. Na izany aza anefa dia nolavin’izy ireo ny fangatahany. Ny ampitson’iny dia noteren’ny manam-pahefana nandeha lamasinina nankany amin’ny toby miaramila izy. Tany amin’ny 2 000 kilaometatra miala an’i Roudny nisy ny tranony no nisy an’io toerana io. Na dia tany aza anefa izy dia tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy. Tsy nanaiky hanao fianianana miaramila na hanao fanamiana miaramila, ohatra, izy, dia tsy nety nandray anjara tamin’ny fanazaran-tena natao tany koa. Niezaka nandefa fitarainana tamin’ny tompon’andraikitra izy fa tsy nisy vokany mihitsy. Tapa-kevitra àry izy hoe hampakatra an’ilay raharaha eny amin’ny fitsarana. Niakatra fitsarana nandritra ny telo volana izy taorian’izay.

Rahalahy Daniil Smal mijoro eo ivelan’ny Fitsarana Miaramila any amin’ny Toby Miaramilan’i Almaty, tamin’ny Novambra 2023

Namoaka didy ihany ny Fitsarana Miaramila any amin’ny Toby Miaramilan’i Almaty, tamin’ny 9 Novambra 2023, hoe mandika lalàna ny fanerena an’i Daniil hanao miaramila. Izao no lazain’ilay fitsarana ao amin’ilay didy: “Efa nolazain’i Daniil mazava tsara ny zavatra inoany, ary noho izany zavatra inoany izany no tsy hanaovany miaramila. Manitsakitsaka ny zon’i Daniil hanaraka ny feon’ny fieritreretany sy ny finoany ny fanerena azy hanao miaramila.” Nasain’ny fitsarana nafahana avy tao amin’ilay toby miaramila nitanana azy nandritra ny enim-bolana koa i Daniil.

Fotoana fohy taorian’io didy io, dia nampakarin’ny tompon’andraikitry ny tafika fitsarana ambony kokoa ilay raharaha. Ny Fitsarana Miaramila ao Amin’ny Repoblikan’i Kazakhstan no fitsarana miaramila ambony indrindra any. Mbola neken’io fitsarana ambony io anefa ilay didy efa navoaka, dia mitovy amin’ilay izy ihany ny didim-pitsarana navoakany tamin’ny 16 Aprily 2024. Voatonona ao amin’io didy manan-tantara io ny lalàna iraisam-pirenena sy ny lalàm-panorenan’i Kazakhstan. Nihatra nanomboka tamin’ny 23 Mey 2024 ilay didy, ary antintranterina ao fa manana zo hanaraka ny feon’ny fieritreretany an-kalalahana ny olom-pirenena tsirairay. Hentitra ilay fitsarana nilaza hoe: “Tsy manana zo hanery na iza na iza hanao zavatra tsy mifanaraka ny feon’ny fieritreretany mihitsy ny fanjakana, na inona na inona miseho.”

Sambany izao no nisy fitsarana any Kazakhstan na any Azia Afovoany nanaiky mazava tsara hoe manana zo tsy hanao miaramila ny olona iray raha tsy mifanaraka amin’ny zavatra inoany izany. Hoy ny Rahalahy Lev Gladyshev, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kazakhstan: “Tena faly isika fa neken’ny fitsarana hoe manana zo ara-dalàna tsy hanao zavatra mifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretany i Daniil. Ho azo ampiasaina foana io didm-pitsarana io amin’izay raharaham-pitsarana ho avy mba hiarovana ny zon’olombelona any Kazakhstan sy Azia Afovoany.”​—1 Timoty 2:1, 2.