Hijery ny anatiny

27 JANOARY 2015
KAZAKHSTAN

Namoaka Baiboly Vaovao Amin’ny Teny Kazakh ny Vavolombelon’i Jehovah

Namoaka Baiboly Vaovao Amin’ny Teny Kazakh ny Vavolombelon’i Jehovah

Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mamoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kazakh

ALMATY, any Kazakhstan—Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, izay nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 26-28 Septambra 2014, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kazakh. Samy nahazo iray avy ny mpanatrika 3721.

Nilaza ny heviny momba ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Pr. Alexander Garkavets, manam-pahaizana momba ny literatiora tiorka. Hoy izy: “Nahavita zavatra miavaka ireo mpandika teny Vavolombelona, na dia tsy misy firy aza ny loharanon-kevitra azo ampiasaina mba handikana ny soratra masina ho amin’ny teny kazakh. Nahita fomba vaovao hamoahana ny hevitra tao amin’ireo lahatsoratra tany am-boalohany izy ireo, ary tena mendri-piderana izany. Azon’ny besinimaro ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, satria ny fomba fiteny amin’izao no ampiasaina ao.”

Varavarana misokatra: Nanangana tranolay (fipetrahan’ny mpifindra monina) ireo Vavolombelona mba hanomezana ody ambavafo ho an’ny mpitsidika.

Nanao varavarana misokatra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kazakhstan ny 3 Oktobra, izany hoe herinandro taorian’ilay fivoriambe. Naseho tao amin’izy io ilay Baiboly vaovao amin’ny teny kazakh. Izao no tatitra nataon’ny Radio Azattyq, any Kazakhstan: “Nitsidika an’ilay toerana ny manam-pahefana ao amin’ny faritanin’i Akimat, izay misy an’i Almaty. Nitarika azy ireo Atoa Nurzhan Zhaparkul, filohan’ny Biraom-paritra Momba ny Raharaha Ara-pivavahana. Tao koa ny solontenan’ny masoivoho vahiny, ny manam-pahaizana momba ny fivavahana, ary ny olon-kafa. Hoy Atoa Zhaparkul: “Nandray anay tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ilay foiben’izy ireo eto Almaty. Tena tsara ny fandaharana nataon’izy ireo, sady tena manampy anay amin’ny asanay.”

Nandritra an’ilay varavarana misokatra, dia nitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Nurzhan Zhaparkul (eo afovoany), filohan’ny Biraom-paritra Momba ny Raharaha Ara-pivavahana, sy ny manam-pahefana ao amin’ny Komity Momba ny Raharaha Ara-pivavahana.

Nozaraina tao Almaty ny fanasana hitsidika an’ilay varavarana misokatra.

Hoy i Polat Bekzhan, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Kazakhstan: “Tena faly izahay fa betsaka no nankasitraka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ity taona ity. Tian’ny olona koa ilay Baiboly amin’ny teny kazakh. Mihamaro mantsy izao ny olona mampiasa an’io fiteny io. Tratranay ny tanjona tamin’ny nanaovana an’ilay varavarana misokatra. Lasa mahafantatra tsara kokoa anay Vavolombelon’i Jehovah izao ny mpitondra fanjakana, ny haino aman-jery, ary ny olona eny amin’ny manodidina.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Kazakhstan: Polat Bekzhan, tel. +7 727 232 36 62