Hijery ny anatiny

3 MEY 2017
KAZAKHSTAN

Voaheloka Higadra i Teymur Akhmedov Noho Izy Nanaraka ny Fivavahany

Voaheloka Higadra i Teymur Akhmedov Noho Izy Nanaraka ny Fivavahany

Nomelohin’ny fitsarana any Astana, Kazakhstan, higadra dimy taona i Teymur Akhmedov, tamin’ny 2 Mey 2017, satria fotsiny hoe niresaka ny zavatra inoany tamin’olona. Izy no Vavolombelon’i Jehovah voalohany nogadraina noho ny fivavahany, taorian’ny nahazoan’i Kazakhstan fahaleovan-tena, tamin’ny 1991.

Efa nisy olona be dia be avy any amin’ny tany maromaro niangavy hoe aleo Atoa Akhmedov mba hambenana any an-tranony, mandra-pahatongan’ny fitsarana azy. Tsy nety anefa ny fitsarana fa mbola nampidiriny am-ponja vonjimaika ihany izy, ary efa telo volana mahery izy izao no any. Efa 61 taona izy sady amin’izay tsy salama. Manambady koa izy, ary manan-janaka telo lahy.

Voasazy satria nivavaka

Tamin’ny Janoary 2017 no nanomboka ilay olana. Nosamborin’ny Komity Miandraikitra ny Filaminam-bahoaka (KNB) na ny polisy miafina any Kazakhstan Atoa Akhmedov tamin’izay, satria nampangaina hoe nandika ny Andininy 174(2) amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava. Nolazaina fa ‘nampirisika olona . . . hankahala fivavahana’ izy, satria hoe niresaka mitokana ny zavatra inoany tamin’izy ireo.

Nilaza ny Mpitsara Talgat Syrlybayev fa “mampiady fivavahana” Atoa Akhmedov satria, hono, niteny tamin’ny olona hoe “ny fivavahany irery no marina, ka ambony noho ny olon-kafa izy.” Namoaka didy koa ilay mpitsara hoe tsy mahazo manao an’izay “zavatra fanaon’ny fivavahany” intsony Atoa Akhmedov mandritra ny telo taona. Raha tsorina dia hoe tsy azony atao intsony izany ny manaraka an’ilay fivavahany.

Hoy i Philip Brumley, Mpanolo-tsaina Momba ny Lalàna, izay misolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena tsy araka ny tokony ho izy mihitsy ny fampiharan’ny manam-pahefana ny lalàna. Nisy lehilahy maromaro nanasa an’i Teymur ho any amina trano iray, ohatra, tamin’ny 2016, mba hiresaka amin’izy ireo ny zavatra inoany. Nisy fotoana aza ry zareo tonga tany aminy mihitsy. Hay noraisin-dry zareo feo ilay resaka, dia iny avy eo no nentiny niampangana azy. Aiza ve koa vitan’ny manam-pahefana hatramin’izany mihitsy! Izay hanafoanana sy hanamelohana an’ilay fivavahana mihitsy no tanjony, nefa tsy hoe nanao ratsy akory ilay fivavahana. Tsy rariny mihitsy izany!”

Matahotra be koa ny fianakavian’Atoa Akhmedov noho ilay aretina mahazo azy. Misy fivontosana mantsy ao amin’ny vatany sady mandeha ra ilay izy (ary efa atahorana sao kansera). Tsy neken’ny manam-pahefana anefa ilay fangatahana hoe hambenana any an-tranony Atoa Akhmedov. Tsy mba nokarakarain-dry zareo koa izy, nefa efa hita hoe tena atahorana ny ainy. Nanapa-kevitra àry ny mpisolovavany hoe handefa fitarainana any amin’ireto: Ny Fikambanana eo Anivon’ny Firenena Mikambana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny, ny Mpitondra Tenin’ny Firenena Mikambana manadihady ny zon’ny olona hanaraka izay fivavahana na finoana tiany, ary ny Mpitondra Tenin’ny Firenena Mikambana manadihady ny zon’ny olona hanao fivoriana sy hiaraka maromaro.

Tsy halalaka intsony ve izany ny fivavahana any Kazakhstan?

Be dia be mihitsy ny zavatra iaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kazakhstan noho izy ireo manaraka ny fivavahany. Mbola tsy nisy hoatran’ity nanjo an’Atoa Akhmedov ity anefa! Tsy rariny ilay izy sady tena tafahoatra. Mbola mandefa fangatahana any amin’ny mpitondra fanjakana any Kazakhstan foana ny solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao. Iangavian’izy ireo i Kazakhstan mba hanaja ny fifanarahana nataony tamin’ny firenen-kafa, hoe mahazo manaraka an’izay fivavahana tiany ny olona.