Hijery ny anatiny

5 JOLAY 2023
KENYA

Didim-pitsarana Miaro ny Zon’ny Ankizy Mpianatra Hanaraka ny Fivavahany any Kenya

Didim-pitsarana Miaro ny Zon’ny Ankizy Mpianatra Hanaraka ny Fivavahany any Kenya

Namoaka didim-pitsarana lehibe miaro ny zon’ny ankizy mpianatra hanaraka ny fivavahany ny Fitsarana Ambony any Kenya, tamin’ny 12 Mey 2023 lasa teo. Misy lalàna milaza any Kenya hoe tsy azo atao ny manery olona hanao zavatra mifanohitra amin’ny zavatra inoany. Nanomboka tamin’ny 2015 anefa, dia zanaka Vavolombelon’i Jehovah 41 no noroahina tany am-pianarana na tsy navela hianatra intsony aloha, satria tsy nety nanao zavatra mifandray amin’ny fivavahana hafa.

Zava-niseho tamin’ny 2017 no nahatonga an’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony. Nisy zavatra mifandray amin’ny fivavahana natao tao amin’ny sekoly iray tamin’izay, dia tsy nety nandray anjara tamin’ilay izy ny ankizy Vavolombelona sivy. Nanaja tsara ry zareo rehefa nanda. Niakatra fitsarana ilay raharaha. Namoaka didim-pitsarana ny fitsarana iray ambany kokoa, tamin’ny 2019, hoe tsy nanitsakitsaka ny zon’ireo ankizy Vavolombelona ireo ilay sekoly rehefa nanery an-dry zareo handray anjara tamin’ilay zavatra mifandray amin’ny fivavahana. Hitan’ny Fitsarana Ambony any Kenya anefa tamin’ny 12 Mey 2023 hoe “nanitsakitsaka ny zon’ny ankizy hianatra sy ny zony hohajaina” io didim-pitsarana io. Nilaza koa io Fitsarana Ambony io fa “tsy rariny sady tsy ara-dalàna ary tsy azo ampiharina” izay didy manery ny Vavolombelon’i Jehovah handray anjara amin’ny fanao ara-pivavahana. Izao no nosoratan’ny mpitsara iray nandray anjara tamin’ilay raharaha: “Tokony hampiasaina ity didim-pitsarana ity mba hanomezana torolalana ny sekoly momba ny zon’ny mpianatra hanaraka ny fivavahany.”

Efa nomen’ny Minisiteran’ny Fampianarana any Kenya toromarika ny sekoly tany, tamin’ny Martsa 2022, hoe tsy maintsy manaja ny zon’ny mpianatra rehetra hanaraka ny fivavahany ny tompon’andraikitra any amin’ny sekoly tsirairay. Manamafy an’io toromarika io ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony. Efa be dia be ny firenena afrikanina namoahana didy miaro ny zon’ny mpianatra Vavolombelona hoatran’io, anisan’izany i Malawi sy Rwanda. Lasa anisan’ireny firenena ireny koa izao i Kenya.

Afaka matoky ny tanora namantsika be herim-po any Kenya sy maneran-tany hoe mirehareha i Jehovah rehefa mahita an-dry zareo sahy miaro ny fivavahana madio!​—Ohabolana 29:25.