Hijery ny anatiny

Ilay tranobe misy hotely ao Nairobi, Kenya, izay nisy nanafika.

25 JANOARY 2019
KENYA

Fanafihana tao Amin’ny Tranobe Misy Hotely sy Birao any Kenya

Fanafihana tao Amin’ny Tranobe Misy Hotely sy Birao any Kenya

Nisy nanafika ny tranobe iray misy hotely sy birao any Nairobi, Kenya, tamin’ny 15 Janoary 2019. Olona 21, fara fahakeliny, no maty tamin’izay.

Fito kilaometatra eo ho eo miala amin’ilay tranobe no misy ny biraon’ny sampan’i Kenya. Nilaza ny biraon’ny sampana hoe tsy nisy mpitory maty na naratra tamin’iny fanafihana iny. Misy rahalahy sy anabavy folo mahery miasa ao amin’io tranobe io. Tsy niasa ny fito tamin’izy ireo tamin’ilay fotoana nisian’ny fanafihana. Tafavoaka soa aman-tsara kosa ny ambiny, anisan’izany ny rahalahy iray sy ny anabavy iray niafina nandritra ny 12 ora.

Manome fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ny mpitory niharan’iny loza iny ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra. Mafy ny mahazo ny mpiara-manompo amintsika any, ka mivavaka isika mba hampionona azy ireo foana i Jehovah.—2 Korintianina 1:3, 4.