Hijery ny anatiny

(Havia) Fitokanana natao tao amin’ny trano nohofana. (Havanana) Trano roa ao amin’ilay toerana hanaovana sekoly

20 NOVAMBRA 2019
KENYA

Fitokanana Trano Vaovao Hanaovana Sekoly Ara-baiboly Any Kenya

Fitokanana Trano Vaovao Hanaovana Sekoly Ara-baiboly Any Kenya

Notokanana tamin’ny 9 Novambra 2019 ny trano fanaovana sekoly ara-baiboly any Eldoret, any Kenya. Ny Rahalahy Bengt Olsson, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Kenya, no nanao ny lahateny fitokanana. Nisy 1199 ny mpanatrika, anisan’izany ireo mpanompo manontolo andro manokana 500 eo ho eo avy any amin’ny toerana samihafa manerana an’i Kenya. Hanaovana Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana (SMIF) sy Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny ilay toerana, izay mirefy 433 metatra toradroa. Kilasy efatra isan-taona, fara fahakeliny, ny SMIF kasaina hatao ao amin’io toerana vaovao io.

Trano maromaro efa an’ny sampana ihany ireo natao trano fanaovana sekoly ireo. Ilay tranon’ny misionera taloha no natao lakozia sy efitra fisakafoanana ary fanasan-damba, ary navadika ho trano fianarana ilay Efitrano Fanjakana taloha. Nanomboka tamin’ny 1 Aprily 2019 ilay fanorenana ary efa nifaramparana ny asa tamin’ny 9 Septambra.

Hoy ny Rahalahy Olsson momba ny sekoly ara-baiboly: “Mbola betsaka ny olona te hianatra momba an’i Jehovah atỳ Afrika Atsinanana. Azo antoka hoe hanampy ny mpianatra amin’ireo sekoly ireo mba hampianatra an’ireny olona ireny ho any an-tendrombohitr’i Jehovah ny fampiofanana amin’ny sekoly ara-baiboly.”—Mika 4:1.