Hijery ny anatiny

4 SEPTAMBRA 2019
KENYA

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Fiteny Luo any Kenya Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Fiteny Luo any Kenya Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tany Kisumu, any Kenya, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny luo, tamin’ny 30 Aogositra 2019. Ny Rahalahy Remy Pringle, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Kenya, no namoaka an’ilay Baiboly tamin’ny andro voalohan’ilay fivoriambe. Nanaraka an’ilay fandaharana avy any amin’ny toerana roa samy hafa ny mpanatrika sasany, ka 2481 ny fitambaran’ny mpanatrika.

Telo taona teo ho eo no nandikana an’ilay Baiboly. Nilaza ny mpandika teny iray hoe: “Efa tsy andrin’ny mpiara-manompo ny hivoahan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny luo. Hisy vokany be amin’izy ireo io Baiboly io. Tsy manam-bola hividianana ny Baiboly manontolo ho an’ny mpianakavy tsirairay ny ankamaroan’ny fianakaviana any amin’ny fiangonana. Ho faly be izao izy ireo satria hahazo Baiboly daholo. Vao mainka hanatanjaka finoana ny fianarana samirery sy ny fianarana miaraka amin’ny fianakaviana satria mora azo ny teny ao amin’ilay Baiboly vaovao.”

Efa voadika ho amin’ny fiteny 184 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy. Ny 25 amin’ireo no nohavaozina tanteraka, miainga avy amin’ilay Baiboly tamin’ny 2013. Misy mpitory 1800 eo ho eo ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Kenya. Matoky isika fa hanampy azy ireo ho akaiky kokoa an’i Jehovah io Baiboly vaovao io, ary hanampy azy ireo hitory amin’ireo olona 5 tapitrisa mahery miteny luo.—Matio 24:14.