Hijery ny anatiny

14 OKTOBRA 2013
KENYA

Tifitra Variraraka Tany Kenya

Tifitra Variraraka Tany Kenya

Tamin’ny asabotsy 21 Septambra 2013, dia nisy andian-jiolahy nanao tifitra variraraka tao amin’ny tranom-barotra lehibe iray tao Nairobi, Kenya, ka olona tsy latsaka ny 67 no maty ary 175, fara fahakeliny, no naratra. Nanao tatitra ny biraon’ny sampana fa nisy Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tranom-barotra io tamin’ilay fotoan’ny fanafihana, saingy afa-nandositra izy ireo ary tsy nisy naninona. Hoy i Josphat Makori, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Kenya: “Nampalahelo ny olona tetỳ aminay iny fanafihana iny, ary miara-miory amin’ireo namoy havana izahay. Miezaka mafy izahay mba hanampy ny mpiara-belona aminay sy hampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Soratra Masina amin’izao fotoan-tsarotra izao.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Kenya: Josphat Makori, tel +254 20 387 3211