Hijery ny anatiny

Biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Bishkek, any Kirghizistan

23 DESAMBRA 2021
KIRGHIZISTAN

Milaza ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa Nanitsakitsaka ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah i Kirghizistan

Milaza ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona fa Nanitsakitsaka ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah i Kirghizistan

Samy nanameloka an’i Kirghizistan daholo ireo Mpikambana 15 ao amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR). Voalaza fa nanitsakitsaka ny zo fototra ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah hanaraka ny fivavahany i Kirghizistan, any amin’ny faritra telo ao aminy. Nandidy an’i Kirghizistan ny CCPR tao amin’ilay didim-pitsarana fito pejy navoakany hoe tokony handoa “onitra araka ny rariny” amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanjakana, ary tokony “handray ny fepetra rehetra mba tsy hiverina intsony ny fandikan-dalàna hoatran’izany amin’ny hoavy.” Efa fanindroany tamin’io ny CCPR no nanameloka an’i Kirghizistan hoe nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tamin’ny 1993 no nisy faritra voalohany nanaiky ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna tany Kirghizistan, dia tamin’ny 1998 vao nekena ho ara-dalàna ny asan’izy ireo nanerana an’ilay firenena. Noho izany, dia afaka nanaraka ny fivavahany tamin-kalalahana ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’ilay firenena, nandritra ny taona maro. Efa folo taona mahery anefa izao ny Komity Mikarakara ny Raharaha Ara-pivavahana (CEAR) no tsy nanaiky hanoratra ho ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahana telo an’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ireto faritra any atsimon’i Kirghizistan ireto: Osh, Naryn, ary Jalal-Abad. Izany no mitranga na dia efa imbetsaka aza ireo rahalahy any an-toerana no nanao fangatahana. Voasakantsakana tsy hanaraka ny fivavahany ny rahalahy sy anabavy any amin’ireo faritra ireo, noho ny fanapahan-kevitr’io komity io. Tsy afaka mandamina fivoriana sy fivoriambe izy ireo, ary tsy afaka manana toerana ivavahana. Hitan’ny CCPR àry fa avakavahana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo faritra telo ireo, noho ny zavatra inoany.

Miandry ny CCPR hoe “handray ny fepetra” ny manam-pahefana kirghiz “mba tsy hiverina intsony ny fandikan-dalàna hoatran’izany amin’ny hoavy.” Nomeny 180 andro i Kirghizistan mba hampahafantatra ny CCPR hoe inona no ezaka nataony mba hanaporofoana hoe nekeny ilay didim-pitsarana.

Mbola tsy fantatsika raha hanao zavatra mifanaraka amin’ilay didim-pitsarana navoakan’ny CCPR ny manam-pahefana kirghiz na tsia. Tsy fantatsika koa raha hamela ny mpiara-manompo amintsika any amin’ireo faritra ireo hanaraka ny fivavahany ry zareo. Manaraka akaiky an’io raharaha io anefa ireo manam-pahaizana momba ny zon’olombelona ao amin’ny Forum 18, ary nanao tatitra hoe efa nandray fanapahan-kevitra mitovy amin’io ny ONU tamin’ny 2019 nefa tsy noraharahian’ny CEAR.

Matoky isika fa fantatr’i Jehovah tsara ny zavatra iainan’ireo rahalahy sy anabavintsika any Kirghizistan, na hanaraka ny fanapahan-kevitry ny ONU i Kirghizistan na tsia. (Salamo 37:18) Hitahy azy ireo foana ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, noho izy ireo tsy mivadika sy be herim-po.​—Salamo 37:28.