Hijery ny anatiny

Rahalahy sy anabavy miteny Emberá (Chamí) sy Guambiano, miarahaba tonga soa ny mpanatrika an’ilay fivoriambe. Sary ambony: Henry Carrasco, ankizilahy 12 taona miteny Emberá (Chamí), atao batisa. Sary ambany: Rahalahy roa mandika an’ilay fandaharana amin’ny fiteny Guambiano

9 JONA 2023
KOLOMBIA

Fivoriambe Niavaka Tamin’ny Fiteny Guambiano sy Emberá (Chamí)

Fivoriambe Niavaka Tamin’ny Fiteny Guambiano sy Emberá (Chamí)

Nisy fandaharana niavaka tamin’ny fiteny samihafa natao tany Cali, any Kolombia, tamin’ny Alahady 26 Martsa 2023. Sambany tamin’io no nisy fivoriamben’ny faritra tamin’ny teny espaniola nadika teo no ho eo tamin’ny fitenim-paritra Guambiano and Emberá (Chamí). Olona 1 600 mahery no nanatrika an’ilay fandaharana. Miteny Guambiano ny 48 amin’ireo, dia miteny Emberá (Chamí) ny 78.

Olona 21 000 mahery no mampiasa ny fiteny Guambiano, dia maherin’ny 77 000 no mampiasa ny fiteny Emberá (Chamí), any Kolombia. Mbola tsy ampy fitaovana handikana teny eo no ho eo ny Efitrano Fivoriambe any Kolombia hatramin’izay. Noho izany, dia tsy maintsy nanatrika ny fivoriamben’ny faritra tamin’ny teny espaniola ireo olona mampiasa fitenim-paritra ireo, na dia tsy tena mahazo teny espaniola aza ry zareo.

Vao naheno ny fianakaviana sasany mampiasa an’ireo fitenim-paritra ireo hoe hisy fivoriambe amin’ny fiteniny, dia tonga dia nanomboka nanangom-bola ry zareo. Nanao hoatr’izany, ohatra, ry Carrasco mianakavy. Valo mianaka ry zareo, dia lavitra be an’ilay Efitrano Fivoriambe no mipetraka. Tsy maintsy mandeha an-tongotra adiny telo dia avy eo mandeha bisy adiny 12 ry zareo vao tonga any amin’ilay izy. Nila vola be koa ry zareo mba hahatongavana any. Tsy nataon-dry zareo hahakivy azy anefa izany. Amam-bolana mialoha ry zareo dia efa niomana. Nanamboatra asa tanana nentim-paharazana ry zareo, dia namidiny ireny avy eo mba hahazoana vola handehanana amin’ilay fivoriambe. Nisy olona roa miteny Emberá (Chamí) natao batisa tamin’ilay fivoriambe, dia i Henry, zanaky ry zareo lahy 12 taona ny iray tamin’ireo. Nisy olona roa miteny Guambiano koa natao batisa tamin’io.

Rahalahy sy anabavy miteny Emberá (Chamí) sy Guambiano, mihaino an’ilay fandaharana adika amin’ny fiteniny

Hoy ny Anabavy Adrianin Morales, anisan’ireo mpandika teny tamin’ny fiteny Guambiano tamin’ilay fivoriambe: “Tena nahafinaritra be ahy ilay hoe nadika tamin’ny fiteniko ilay fivoriambe. Faly be mihitsy aho mieritreritra hoe naheno ny tenin’i Jehovah tamin’ny fitenin-drazany daholo ny olona nanatrika an’ilay izy.”

Hoy indray ny Rahalahy Diomedes Velasco, anisan’ireo mpandika teny tamin’ny fiteny Guambiano koa: “Natahotra be aho tamin’izaho vao voatendry hoe handika teny. Lasa tsy natahotra intsony anefa aho rehefa nahita ny zavatra miavaka ataon’i Jehovah ho an’ny olona mampiasa fitenim-paritra. I Jehovah no nanendry ahy handika teny, dia tena tombontsoa be ilay izy.”

Mahafinaritra be ny mahita hoe ny olona amin’ny fiteny rehetra mihitsy no lasa miteny hoe: “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah.”​—Isaia 2:3.