Hijery ny anatiny

Manomana an’ireo fanampiana ireo rahalahintsika any

8 JONA 2021
KOLOMBIA

Mahazo Fanampiana ny Rahalahintsika Tra-boina any Kolombia

Mahazo Fanampiana ny Rahalahintsika Tra-boina any Kolombia

Nisy ady an-trano tany Kolombia nanomboka tamin’ny Aprily 2021 fa tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah maty na naratra. Tany amin’ny toerana sasany anefa lasa sarotra ny nahita sakafo sy solika hovidina. Mbola sahirana ireo rahalahintsika any hatramin’izao satria tsy ampy ny sakafo sy ny solika. Mbola misy voka-dratsiny foana koa ny valanaretina COVID-19.

Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) dimy ny Komitin’ny Sampan’i Kolombia mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy sahirana. Manome izay zavatra ilain’ireo tra-boina ry zareo, fa miezaka manaraka ny fepetra natao hiarovana amin’ny COVID-19. Mifanampy koa ny rahalahy sy anabavy any an-toerana, indrindra mba hahazo sakafo ny tsirairay. Manome fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ny mpitory koa ny anti-panahin’ny fiangonana sy ny mpiandraikitra ny faritra.

Hoy ny Rahalahy Almond Winklaar, izay miasa ao amin’ny KVRV: “Tena mafy ny mahazo anay. Misaotra an’i Jehovah anefa aho satria mikarakara haingana ny mpanompony izy amin’izao andro sarotra izao.”

Rahalahy sy anabavintsika nahazo sakafo

Nahazo sakafo ny mpitory 18 tao amin’ny Fiangonana La Loma Arena sy ny fianakaviany. Hoy ny mpivady mpisava lalana iray tao amin’ilay fiangonana: “Tena faly be izahay nahazo an’ilay fanampiana avy amin’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky. Tena nilainay ilay izy sady hitanay hoe valim-bavaka. Tena misaotra an’ireo rahalahy sy anabavinay izahay nanome an’izay tena nilainay. Misaotra an’i Jehovah koa nampahery sy nanampy anay mba hiaritra.”

Tena nankasitraka ny KVRV koa ny mpiasa tao amin’ny fivarotana lehibe iray, izay fiantsenan’ny KVRV. Hoy ny mpiasa iray tao: “Mitory isan-trano ny hafatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no nahafantarako ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay, fa tena nahavariana ahy ilay asa tsara ataon-dry zareo hoe manampy an’izay tena mila fanampiana.”

Manao foana ny fandaharana ara-panahy efa mahazatra azy ny mpiara-manompo any na dia eo aza ny olana. Miezaka ‘tsy ho anisan’izao tontolo izao’ ireo rahalahy sy anabavy malalantsika ireo, ka azontsika antoka hoe hanome izay ilainy eo amin’ny fiainany isan’andro sy izay ilainy amin’ny lafiny ara-panahy foana i Jehovah.​—Jaona 17:16.