Hijery ny anatiny

Ilay Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana vao notokanana tany Ríohacha, any Kolombia, ho an’ny fiteny wayuunaiki

30 MEY 2023
KOLOMBIA

Nafindra Toerana ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana Iray any Kolombia

Nafindra Toerana ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana Iray any Kolombia

Nisy Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana (BFM) notokanana tany Ríohacha, any Kolombia, tamin’ny 18 Martsa 2023. Ho an’ny fiteny wayuunaiki izy io. Olona 700 000 eo ho eo no mampiasa an’io fiteny io, ary io no tenim-paritra be mpampiasa indrindra any Kolombia sy Venezoelà.

Trano roa nohofana no nisy an’ilay BFM taloha. Voafetra ilay toerana sady tsy dia nilamina ny herinaratra tao amin’ilay izy. Ankoatra an’izay, dia tsy nandeha tsara koa ny telefaonina sy ny Internet tao amin’ilay izy. Nividy toerana iray misy efitra enina àry ny biraon’ny sampan’i Kolombia, dia nohavaozina ilay izy mba ho lasa birao sy trano fonenana ho an’ny ekipa mpandika teny. Any amin’ny faritra be trano fonenana no misy an’ilay izy. Nekena ny hanombohana an’ilay tetikasa tamin’ny Oktobra 2022, dia vita ilay izy tamin’ny Janoary 2023.

Hoy ny Rahalahy Juan Felipe Rodríguez, anisan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana, rehefa nanazava hoe nahoana no tsara kokoa io toerana vaovao io: “Tsara kokoa ny efitra kely fandraisam-peo ao amin’ireo birao vaovao ireo. Misy toerana malalaka tsara ahafahan’ny mpandika teny mihaona sy miara-miasa tsara koa ao, sady mandeha tsara kokoa ny Internet. Efa misy gropy koa ao satria maty matetika ny jiro.”

Mpandika teny telo amin’ny fiteny wayuunaiki, miasa ao amin’ilay biraon’ny fandikan-teny vaovao

Tamin’ny 1998 no nanomboka nadika tamin’ny fiteny wayuunaiki ny boky sy gazetintsika. Rahalahy sy anabavy  14 izao no miara-miasa mandika teny amin’io fiteny io. Fiangonana 20 no mampiasa an’io fiteny io rehefa mivory, dia misy mpitory 400 eo ho eo ao amin’ireo fiangonana ireo.

Tena faly isika mahita hoe mbola mampiasa ny fandaminany foana i Jehovah mba hanampiana ny olona avy amin’ny fiteny rehetra mba ‘hanatona an’Andriamanitra.’​—Jakoba 4:8.