Hijery ny anatiny

Ankavia: Rahalahy iray eo amin’ny tranohevantsika mampiasa écran tactile mba hampisehoana ny jw.org amin’ny mpitsidika. Sary kely anatiny: Ny fidirana amin’ilay Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky tany Bogotá, any Kolombia

6 JONA 2024
KOLOMBIA

Nasongadina tao Amin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky Tany Kolombia hoe Zava-dehibe ny Mianatra Baiboly

Nasongadina tao Amin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky Tany Kolombia hoe Zava-dehibe ny Mianatra Baiboly

Natao tany Bogotá, any Kolombia, ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Boky, nanomboka tamin’ny 17 Aprily ka hatramin’ny 2 Mey 2024. Nilaza ny mpikarakara an’ilay foara fa olona 600 000 mahery avy any amin’ny tany 25 no tonga nijery an’ilay izy. Nanana tranoheva tao amin’ilay foara ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao hanampiana ny olona hahafantatra ilay izy hoe misy torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly sady misy fampanantenana.

Rahalahy sy anabavy miresaka momba ny Baiboly amin’ny olona maromaro tonga nanatona ny tranohevantsika

Nanatona an’ilay tranohevantsika ny lehilahy iray, dia niteny hoe efa nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga nitsidika ny fianakaviany tamin’izy mbola kely. Niteny koa izy hoe mbola te hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Nasehon’ny rahalahintsika azy hoe ahoana no hianarana Baiboly amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Nasehony an’ilay lehilahy avy eo hoe ahoana no azony ampiasana ny jw.org mba hahitana fivoriana any amin’ny misy an-dry zareo sy hangatahana olona hitsidika azy. Faly be ilay rahalahy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, satria henony hoe nampidirin’ilay lehilahy tao amin’ny telefaoniny ny JW Library, tonga nivory izy ny Alahady, dia efa misy rahalahy mampianatra Baiboly azy any amin’ny misy an-dry zareo.

Vehivavy iray sy ny zanany lahikely misy manoro hoe ahoana no atao rehefa mianatra Baiboly

Nanatona ny tranohevantsika ny vehivavy iray sy ny zanany lahikely, dia faly be ilay ankizilahikely nijery video iray avy amin’ilay hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Nanontany anabavy iray ilay vehivavy hoe aiza izy no afaka mividy video hafa. Nohazavain’ilay anabavy hoe azo alaina maimaim-poana ao amin’ny jw.org ny video hoatr’ireny. Noteneniny koa ilay vehivavy hoe mbola misy video sy lahatsoratra miorina amin’ny Baiboly natao hanampiana ny tanora koa ao amin’ilay tranonkala, mba hianaran-dry zareo fahaiza-miaina sy hahatonga an-dry zareo ho lasa naman’Andriamanitra. Niara-nijery video maromaro izy mianaka, dia avy eo niteny ilay vehivavy hoe tena avo lenta ny videontsika sady tsara be ny zavatra ampianariny. Nilaza taminy ilay anabavy hoe tiany haseho azy ny fomba hianarana Baiboly. Nanaiky ilay vehivavy, dia nifanao fotoana ry zareo avy eo mba hanohizana an’ilay resadresaka.

Miara-paly amin’ny rahalahy sy anabavintsika any Kolombia isika. Tena niavaka iny fomba nanampian-dry zareo ny olona “hanaraka ny hazavana avy amin’i Jehovah” iny!​—Isaia 2:5.