Hijery ny anatiny

29 AOGOSITRA 2023
KOLOMBIA

Nivoaka Tamin’ny Teny Wayuunaiki ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Teny Wayuunaiki ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny teny wayuunaiki Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 18 Aogositra 2023. Ny Rahalahy Giacomo Maffei, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Kolombia, no namoaka an’ilay izy tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Manàna Faharetana”!, natao tao Maicao, any La Guajira, Kolombia. Nisy 265 ny mpanatrika tamin’izay, ary efa afaka naka ny endrika elektronika tamin’io Baiboly io ry zareo. Hahazo Baiboly vita pirinty kosa ny fiangonana amin’ny voalohandohan’ny taona 2024.

Ny Wayuu no mampiasa ny teny wayuunaiki, ary misy 700 000 izy ireo no mampiasa azy. Any amin’ny faritr’i La Guajira, any Kolombia, sy any amin’ny fanjakan’i Zulia, any avaratr’i Venezoelà ny ankamaroan’ny Wayuu no mipetraka. Tamin’ny 1998 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka nandika zavatra ho amin’ny fiteny wayuunaiki. Any Riohacha, renivohitr’i La Guajira no misy ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana. Misy 445 ny mpitory miteny wayuunaiki any Kolombia sy Venezoelà, ka manompo any amin’ny fiangonana 17 sy antoko-mpitory 4 izy ireo.

Nasehon’ny rahalahy iray hoe mankasitraka an’ilay Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny wayuunaiki izy, ka hoy izy: “Fanomezana tsara be avy amin’ilay Raintsika any an-danitra ilay Baiboly marina tsara sady amin’ny teny wayuunaiki. Tena miavaka ilay izy!” Hoy koa ny rahalahy iray: “Matoky aho fa hanampy ny mpamaky mba hinamana kokoa amin’i Jehovah sy hifandray akaiky aminy ity Baiboly ity.”

Matoky isika fa ho faly be ny rahalahy sy anabavy miteny wayuunaiki noho io fandikan-teny io. Manantena koa isika fa hanampy olona be dia be mba hahafantatra an’Andriamanitra izy io.​—Matio 5:3.