Hijery ny anatiny

12 DESAMBRA 2019
KOREA ATSIMO

Atao Fampirantiana ny Nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah Tany Korea

Atao Fampirantiana ny Nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah Tany Korea

Vitsy ihany no mahalala hoe nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah tany Korea. Atao fampirantiana ao amin’ny tranombakoka iray any Busan, tanàn-dehibe faharoa lehibe indrindra any Korea, izany izao. Natao hahatsiarovana ny olona noterena hanao miaramila tamin’ny andro nitondran’ny Japoney io tranombako-pirenena io. Nanomboka tamin’ny 12 Novambra 2019 ilay izy ary hifarana amin’ny 13 Desambra 2019. Izao no foto-keviny: “Miova ny Tantara, Tsy Miova ny Feon’ny Fieritreretana.” Aseho ao hoe tena tsy nety nampandefitra ny zavatra ninoany ny Vavolombelon’i Jehovah, 80 taona mahery lasa izay, tamin’ny mbola zanatany japoney i Korea. Tantaraina ao koa ny nanenjehana azy ireo, vokatr’izany.

Efa natao tao amin’ilay fonja lasa tranombakoka ao Seodaemun a, any Séoul, io fampirantiana io tamin’ny Septambra 2019. Nisy 51175 ny fitambaran’ny olona tonga nitsidika tao, anisan’izany ny rahalahy sy anabavy 5700 izay solontena avy any ivelany, nanatrika an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Séoul.

Nosamborina sy nogadraina ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olona liana tamin’ny hafatry ny Baiboly, tamin’ny Jona 1939 ka hatramin’ny Aogositra 1945. Izany ilay vanim-potoana nantsoina hoe Deungdaesa. Nogadraina izy ireo satria tsy nety nivavaka tamin’ny mpanjaka, ary nihevitra ny fanjakana hoe mampirisika ny olona hikomy sy tsy handeha hiady ny boky zarain’izy ireo. Olona 66 no nosamborina, izany hoe efa ho ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tany Korea tamin’izany fotoana izany. Nanaovana famotorana henjana be izy ireo ary nampijalijalina. Vavolombelon’i Jehovah enina no matin’ny aretina tany am-ponja satria mafy loatra ny fiainana tany.

Hoy ny Rahalahy Hong Dae-il, ao amin’ny Sampan’asan’ny Filazam-baovao any Korea: “Betsaka amin’ny olona eto Korea no tsy mahafantatra hoe efa 80 taona mahery izay ny olona tsy mety manao miaramila noho ny zavatra inoany no nenjehina tsy ara-drariny, izany hoe efa hatramin’ny fotoana nanjakan’ny Japoney. Ity fampirantiana manokana ity no hampahafantatra an’izany amin’ny olona.”

Hoy ny Profesora Han Hong-gu, mpahay tantara nanatrika ny lanonana fanokafana an’ilay fampirantiana, momba ny Vavolombelon’i Jehovah tsy nety nampandefitra ny finoany: “Hitako hoe ry zareo no modely tsara indrindra amin’ny olona nanaraka ny feon’ny fieritreretany sy tsy nety niala tamin’ny finoany. ... Mihamanaja ny olona manaraka ny feon’ny fieritreretany izao ny fiaraha-monina, ary ny Vavolombelon’i Jehovah no tokony ho tonga ao an-tsaintsika voalohany rehefa mieritreritra an’izany isika.”

Be dia be ny mpahay tantara sy mpanao gazety liana tamin’ilay fampirantiana. Lasa be mpahafantatra àry ny tantaran’ireo tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Izany izao no maresaka any Korea tato anatin’ny herintaona. Nilaza ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana, tamin’ny 28 Jona 2018, fa tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ilay hoe tsy misy fanompoana sivily azo asolo ny fanaovana miaramila any Korea Atsimo. Efa-bolana taorian’izay fotsiny, izany hoe tamin’ny 1 Novambra, dia namoaka didy ny Fitsarana Tampony hoe tsy manao heloka bevava ny olona tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nafahana avy tany am-ponja àry ny rahalahintsika nigadra tany Korea Atsimo ary azo atao amin’izay ny mametraka lalàna momba ny fanompoana sivily, vokatr’ireo didim-pitsarana ireo.

Be herim-po sy nanana finoana matanjaka tokoa ireny rahalahy sy anabavy voalohandohany tany Korea ireny, araka ny hita amin’ilay fampirantiana. Mampahatsiahy antsika an’ity fanomezan-toky ity izany: “I Jehovah no momba ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olombelona atao amiko?”—Salamo 118:6.

a Tamin’ny mbola tsy tranombakoka io fonja io, dia nanagadrana ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, teo anelanelan’ny 1960 sy 1990, sy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andro nanjakan’ny Japoney.

 

Ilay fonja lasa tranombakoka ao Seodaemun, any Séoul. Efa natao tao ilay fampirantiana, tamin’ny Septambra 2019

Mpianatra maromaro eo ivelan’ilay fampirantiana ny Deungdaesa, ao amin’ilay tranombakoka ao Seodaemun. Nisy 51175 ny isan’ny mpitsidika raha atambatra

Anisan’ny aseho ao amin’ilay fampirantiana ny sarin’ny tilikambo nampiasaina tao amin’ilay fonja

Efitra figadrana kely iray nasiana sariolona dimy, mba hampisehoana hoe mafy ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina

Ao amin’ilay tranombako-pirenena any Busan izao ilay fampirantiana. Natao io tranombakoka io mba hahatsiarovana ny olona noterena hanao miaramila tamin’ny andro nitondran’ny Japoney

Rindrina misy ny sarin’ny sasany amin’ireo olona 66 nogadraina no mamarana an’ilay fampirantiana. Tantaraina eo ny nanenjehana azy ireo satria tsy nety nanao politika izy ireo