Hijery ny anatiny

17 JANOARY 2020
KOREA ATSIMO

Korea Atsimo: Mahazo Famotsoran-keloka Manokana Izay Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Korea Atsimo: Mahazo Famotsoran-keloka Manokana Izay Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Nambaran’ny fanjakan’i Korea Atsimo, tamin’ny 31 Desambra 2019, hoe homena famotsoran-keloka manokana ireo 1 879 tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, izay nafahana vao haingana. Marina fa mbola misoratra amin’ny taratasin’izy ireo hoe nanao heloka bevava izy ireo, nefa hesorin’ny fanjakana ny fameperana rehetra napetraka tamin’izy ireo. Io famotsoran-keloka manokana io no vaovao farany taorian’ny didy navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana sy ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2018. Voalaza tao amin’ireo didy ireo hoe manan-jo handa tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny olona fa tsy mpanao heloka bevava akory izy raha mandà an’izany.

Misy fameperana apetraky ny fanjakan’i Korea Atsimo amin’ny olona avy nigadra, mandritra ny dimy taona. Nampiharin’ny fanjakana tamin’ny rahalahintsika avy nigadra koa izany. Nisy karazana fahazoan-dalana avy amin’ny fanjakana tsy ho azony mihitsy àry satria tsy nahazo nanala fanadinana hahazoana an’izany izy ireo. Nisy karazana asa tsy azon’izy ireo nangatahina koa. Niala daholo anefa ireo fameperana ireo izao.

Hoy ny Rahalahy Hong Dae-il, ao amin’ny Biraon’ny Filazam-baovao any Korea Atsimo: “Faly be isika satria nesorin’ny fanjakana ireny fameperana ireny. Hita amin’iny fanapahan-kevitry ny fanjakana iny hoe kely sisa dia hekeny tanteraka fa tsy mpanao heloka bevava ireny olona nogadraina noho ny zavatra inoany ireny.”

Manantena isika hoe mbola hanao zavatra tsara hafa ny fanjakana any Korea Atsimo. Na ahoana na ahoana, dia i Jehovah, ilay Mpanome Lalàna ambony indrindra, no homentsika ny voninahitra sy ny haja.—Apokalypsy 4:11.