Hijery ny anatiny

Nanome rariny ny Rahalahy Nam Eon-woo (ankavia) sy Lee Jeong-Hyeon (afovoany) ary Nam Tae-hee (ankavanana) ny Fitsarana Tampony. Miaramila ry zareo tamin’ny mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah ary voasazy im-be dia be tatỳ aoriana

3 MARTSA 2021
KOREA ATSIMO

Manome Rariny An’ireo Tsy Mety Manao Miaramila Fiandry ny Fitsarana Tampony Koreanina

Manome Rariny An’ireo Tsy Mety Manao Miaramila Fiandry ny Fitsarana Tampony Koreanina

Nanapa-kevitra ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo, tamin’ny 28 Janoary 2021, fa tsy meloka ny olona iray raha tsy mety manaraka fiofanana ho an’ny miaramila fiandry noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy ho voasazy intsony àry ireo rahalahintsika izay nanao miaramila tamin’izy mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy maintsy manaraka fiofanana natokana ho an’ny miaramila fiandry mandritra ny valo taona ny lehilahy koreanina rehetra efa nanao miaramila. Midika izany fa mety ho voantso sy ho voasazy imbetsaka ireo rahalahy efa nanao miaramila nefa tsy mety manaraka an’ilay fiofanana. Nisy rahalahy iray izay, tsy maintsy niseho tany amin’ny polisy sy tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ary teny amin’ny fitsarana in-60 tao anatin’ny taona iray.

Tamin’ny 2018, dia nanapa-kevitra ny fitsarana ambony roa any Korea, izany hoe ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana sy ny Fitsarana Tampony, fa tsy meloka izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Afaka nanao fanompoana sivily àry ny Kristianina. Tsy noresahin-dry zareo anefa ny momba ny miaramila fiandry, ka azon’ny fanjakana atao ny manasazy an’izay tsy mety manaraka an’ilay fiofanana noho ny zavatra inoany.

Neken’ny Fitsarana Tampony ihany tamin’ny farany hoe afaka mandà tsy hanaraka an’ilay fiofanana natao ho an’ny miaramila fiandry ny olona iray noho ny zavatra inoany. Afaka manao fanompoana sivily amin’izay izao ireo rahalahintsika niady teny amin’ny fitsarana nandritra ny taona maro, fa tsy voatery mandoa lamandy sy migadra intsony. Nilaza ny Rahalahy Nam Tae-hee, iray tamin’ireo voampanga, hoe: “Ela ny ela ka nohajaina ihany ny zoko, taorian’izay valo taona niakarako fitsarana imbetsaka izay. Tsapako hoatran’ny hoe nisy zavatra mavesatra be izany nesorina tamiko.”

‘Niaritra fahoriana sy nijaly tsy ara-drariny’ ireo rahalahintsika koreanina sy ny fianakaviany hatramin’izay, ‘noho izy te hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra.’ (1 Petera 2:19) Tena faly sy mankasitraka an’i Jehovah miaraka amin-dry zareo àry isika izao!