Hijery ny anatiny

Ny sasany amin’ireo rahalahy 65 nafahana talohan’ny fotoana, taorian’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony tany Korea. Nilaza io didy io hoe tsy heloka bevava ny fandavana tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.

7 MARTSA 2019
KOREA ATSIMO

Nafahana Daholo Izao ny Vavolombelon’i Jehovah Tsy Manao Miaramila any Korea Atsimo

Nafahana Daholo Izao ny Vavolombelon’i Jehovah Tsy Manao Miaramila any Korea Atsimo

Nafahana tamin’ny 28 Febroary 2019 ilay Vavolombelon’i Jehovah sisa nigadra tany Korea Atsimo. Anisan’ireo nogadraina mantsy izy satria tsy manao miaramila. Naneho ny fankasitrahany lalina ireo rahalahy rehetra nafahana ary faly izy ireo satria afaka nampiseho hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra.

Rahalahy 65 no nafahana taorian’ilay didy manan-tantara navoakan’ny Fitsarana Tampony, tamin’ny 1 Novambra 2018. Milaza mantsy io didy io hoe tsy heloka bevava ny fandavana tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Nandritra izay 65 taona lasa izay dia gadraina foana ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy gadraina intsony anefa izao ny olona toy izany noho io didim-pitsarana io.

Vao mainka isika sahy tsy hivadika amin’ny Mpanjakantsika sy ny Fanjakany sady hanohy ny fanompoana, rehefa mieritreritra an’ireo rahalahy any Korea izay nanam-pinoana sy tsy nivadika mihitsy. (Filipianina 1:14) Mivavaka ho an’ireo rahalahintsika mbola migadra any Érythrée, Rosia, Singapour, ary Turkménistan isika.—Hebreo 10:34.