Hijery ny anatiny

Nandoro velaran-tany ngezabe ny afo tany amin’ny faritany roa any Korea Atsimo, ka be dia be ny zavatra simba

15 MARTSA 2022
KOREA ATSIMO

Nandravarava Tany Amin’ny Faritany Roa any Korea Atsimo ny Afo

Nandravarava Tany Amin’ny Faritany Roa any Korea Atsimo ny Afo

Nisy afo nirehitra tany Korea Atsimo nanomboka tamin’ny 4 Martsa 2022, ka ala 23 993 hektara no may. Olona an’arivony koa no voatery nandao ny tranony. Io no afo nanimba zavatra betsaka indrindra tany hatramin’izay.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 44 no voatery nandao ny tranony

  • Trano 1 no rava

Fanampiana tra-boina

  • Nifindra tany amin’ny faritra azo antoka kokoa ireo mpitory tra-boina, ka tany amin’ny havany na Vavolombelona hafa aloha izy ireo no nipetraka

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray no natsangana mba hanampy ny tra-boina

  • Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo manampy tra-boina

Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah ny ezaka ataon’ireo rahalahy sy anabavintsika. Hita mantsy hoe tena namana ao anatin’ny fotoan-tsarotra izy ireo.​—Ohabolana 17:17.