Hijery ny anatiny

5 MEY 2023
KOREA ATSIMO

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Sinoa ny Bokin’i Matio

Nivoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Sinoa ny Bokin’i Matio

Nivoaka tamin’ny Tenin’ny Tanana Sinoa (CSL) Ny Baiboly: Ny Bokin’i Matio nandritra ny fandaharana iray natao tany Korea Atsimo, tamin’ny 23 Aprily 2023. Izay vao nisy boky ao amin’ny Baiboly nivoaka tamin’ny CSL hatramin’izay. Olona efa ho 200 avy amin’ireo fiangonana roa miteny CSL any Korea Atsimo no nanatrika an’ilay fandaharana. Efa azo alaina ao amin’ny jw.org sy JW Library Sign Language izao ilay Baiboly amin’ny tenin’ny tanana.

Niezaka mafy ny mpandika teny mba handika an’ilay boky amin’ny teny fohy nefa mahazatra tsara ny olona. Izao, ohatra, no nolazain’ny mpandika teny iray: “Telo no ao anatin’ny ekipa mpandika teny, dia marenina ny roa amin’ireo. Matetika àry izahay no niresaka hoe ahoana no fomba fisainan’ny olona marenina. Lasa mora kokoa ny nandika an’ilay boky satria nanana ny fomba fijerin’ny marenina izahay.”

Nisy mpandika teny iray hafa koa niteny hoe: “Rehefa niasa tamin’ity fandikan-teny ity aho, dia lasa nazava tsara tamiko ny zavatra nataon’i Jesosy sy ny zavatra natrehiny ary ny zavatra nampianariny tamin’izy teto an-tany.”

Hoy ny mpitory marenina iray nanatrika an’ilay fandaharana: “Vitsy kely ny andinin-teny voadika tamin’ny CSL, talohan’ny nivoahan’ity boky ity. Hoatran’ny hoe ampahany kely amin’ny sary iray ihany no hitanay. Rehefa nivoaka anefa ilay bokin’i Matio, dia faly be aho satria lasa hoatran’ny hoe mahita an’ilay sary manontolo amin’izay.”

Nilaza koa ny marenina iray hafa hoe: “Rehefa mahita ny boky sy gazety avoakan’ny fandaminana sy ity bokin’i Matio amin’ny CSL ity aho, dia lasa tsapako hoe tena te hanampy ny marenina i Jehovah sady tena tia be azy ireo.”

Misaotra an’i Jehovah isika noho io fandikan-teny io, satria tena hanampy ny rahalahy sy anabavy mba hanohy hivavaka aminy “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” izy io.​—Jaona 4:24.