Hijery ny anatiny

Nanao an’ilay fivoriambe hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana!” tao amin’ny Kianjan’i Sajik any Busan ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2019

26 MEY 2020
KOREA ATSIMO

Noderain’ny Tompon’andraikitra Sasany any Korea Atsimo ny Vavolombelon’i Jehovah Satria Nanapa-kevitra hoe Hatao amin’ny Alalan’ny Internet ny Fandaharana Fanaony

Noderain’ny Tompon’andraikitra Sasany any Korea Atsimo ny Vavolombelon’i Jehovah Satria Nanapa-kevitra hoe Hatao amin’ny Alalan’ny Internet ny Fandaharana Fanaony

Noderain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny toerana sasany fanaovana fivoriambe any Korea Atsimo ny fandaminantsika. Nanapa-kevitra mantsy isika hoe tsy hatao any amin’ny kianja ngezabe ny fivoriambentsika amin’ity taona ity, fa hatao amin’ny alalan’ny Internet. Nidera antsika izy ireo satria miahy ny fahasalaman’ny olona isika, nefa tsy hoe manajanona ny fandaharana efa nomanintsika mba hianarana Baiboly. Voaverina daholo izay vola efa naloantsika mba hanofana an’ireo toerana saika hanaovana fivoriambe.

Hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny toerana iray: “Tsara hoatran’ny mahazatra ny fanapahan-kevitry ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ity. Mahafinaritra anay mihitsy ry zareo! Asa aloha any ho any raha mba misy fivavahana hafa mahavita manasoa ny fiaraha-monina hoatran-dry zareo.” Nanazava izy avy eo hoe: “Izay hahasoa ny olona aloha no eritreretin-dry zareo izay vao izay hahasoa azy. Malahelo izahay hoe tsy hampiasa an’ilay toerana ampanofainay ry zareo amin’ity taona ity. Manantena anefa izahay hoe mbola hampiasa an’ilay izy ry zareo amin’ny manaraka.”

Hoy indray ny tompon’andraikitra ao amin’ny toerana iray any Suwon: “Nampiasa an’ity toerana ity foana ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny 35 taona. Tena mankasitraka an-dry zareo aho satria nohajainy tsara ilay izy, sady noraisiny hoatran’ny hoe an’azy mihitsy. Vao mainka aho izao mankasitraka an-dry zareo satria narahiny tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana mba tsy hiparitahan’ny COVID-19. Tena mieritreritra an’izay hahasoa ny olona ry zareo! Efa tsy andriko indray ny hahita an-dry zareo ato amin’ny herintaona.”

Naneho ny heviny koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny seranam-piaramanidina iray. Eo akaikin’ny toerana iray fanaovana fivoriambe ilay seranana iasany. Hoy izy: “Nahita Vavolombelon’i Jehovah foana izahay tamin’ny 2018 sy 2019. Tena milamina be ry zareo! Raha vao misy zavatra angatahinay na asainay ataon-dry zareo koa, dia tonga dia ataon-dry zareo ilay izy. Hita hoe mieritreritra ny hafa ry zareo rehefa nanafoana an’ilay fandaharana tamin’ity taona ity. Tena manohina ny foko izany.” Hoy koa izy hoe: “Tena hahafinaritra be ny fiainana raha hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny olona.”

Faly be isika vahoakan’i Jehovah satria nampianarina ho tia ny namantsika. Faly koa isika satria tsikaritry ny olona izany amin’izao fotoan-tsarotra izao.—Matio 22:39.