Hijery ny anatiny

Rahalahy telo amin’izy dimy mirahalahy nolazain’ny Fitsaran’i Jeonju vao haingana hoe tsy meloka.

23 JANOARY 2019
KOREA ATSIMO

“Tsy Meloka”

Sambany Tany Korea Atsimo vao Nisy Fitsarana Nanafaka Madiodio Olona Tsy Manao Miaramila

“Tsy Meloka”

Sambany teo amin’ny tantaran’i Korea Atsimo no nisy hoe mpampanoa lalàna mangataka ny fitsarana ambony mba tsy hanameloka ny rahalahintsika tsy mety manao miaramila. Nanafaka azy ireo madiodio àry ilay fitsarana ary tsy azo averina tsaraina momba an’io raharaha io intsony izy dimy mirahalahy. Nanameloka azy ireo mantsy ny fitsarana ambany kokoa satria hoe mandositra tsy mety manao miaramila izy ireo.

Tamin’ny 14 Desambra 2018 no nivoaka ny didim-pitsarana nilaza hoe tsy meloka ireo rahalahy ireo. Midika izany fa tokony hanafaka madiodio an’ireo rahalahy 900 mahery koa ny fitsarana amin’ny ambaratonga samihafa any Korea. Hiandry an’izay fanompoana sivily apetraky ny fanjakana ny rahalahy tsy manao miaramila.

Namoaka an’io didim-pitsarana io ny fitsarana ambony satria nisy didim-pitsarana roa manan-tantara navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana sy ny Fitsarana Tampony any Korea, tamin’ny 2018. Nisy lalàna nilaza mantsy hoe izay tsy mety manao miaramila dia gadraina, na dia manana antony ara-pivavahana tsy anaovana miaramila aza ilay olona. Efa 65 taona no nampiharana an’io lalàna io nefa nijanona hatreo izany rehefa nivoaka ireo didim-pitsarana roa ireo.

Hita amin’ireo didim-pitsarana roa ireo hoe hajaina ny zon’izay tsy mety manao miaramila raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Nankasitrahan’ny fikambanana maro mpiaro ny zon’olombelona ireo didy ireo. Hoy ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea: “Mampalahelo hoe nosazina foana izay tsy nety nanao miaramila, nanomboka tamin’ny 1955 tany ho any, ary efa ho 20000 no nizaka an’izany. Soa ihany anefa fa nifarana tamin’ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsara rehetra tao amin’ny Fitsarana Tampony izany. ... Tianay hambara eto hoe tena midera an’ireo tsy nety nanao miaramila sy ny fianakaviany izahay satria niaritra ny mafy izy ireo.”

Asaina manaporofo izao ny rahalahintsika hoe tena tapa-kevitra sy miaiky mafy izy ireo hoe tsy tokony hanao miaramila. Asaina mitady porofo mantsy ny mpitsara hoe tena avy amin’ny fon’ilay olona no tsy anaovany miaramila. Nilaza ny Fitsarana Tampony hoe: “Tokony ho hita eo amin’ny fiainany manontolo ... hoe inona no tena inoany.” Rehefa anontanian’ny mpitsara àry izao ny rahalahintsika dia afaka manazava tsara hoe nahoana izy ireo no tsy mandeha miady sy tsy manao miaramila.—1 Petera 3:15.

Efa 60 taona mahery izay ny Vavolombelon’i Jehovah any Korea no migadra noho ny fanarahany ny feon’ny fieritreretany. Porofo lehibe izany fa tena tiantsika Kristianina ny hankatò an’ilay didy faharoa lehibe indrindra hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Matio 22:39.