Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Choi Young-won, Baek Jong-hyun, ary Kang Ra-yoon manao veloma ny fianakaviany alohan’ny handehanan’izy ireo hanao fanompoana sivily

23 NOVAMBRA 2020
KOREA ATSIMO

Zava-nitranga Niavaka: Nanomboka ny Fanompoana Sivily any Korea Atsimo

Zava-nitranga Niavaka: Nanomboka ny Fanompoana Sivily any Korea Atsimo

Sambany teo amin’ny tantara ny fitondrana any Korea Atsimo no nanapa-kevitra hoe afaka manao fanompoana sivily izay tsy manaiky hanao miaramila, raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Rahalahy 63 no nanaiky hanao fanompoana sivily, tamin’ny 26 Oktobra 2020, ary nanomboka nanao ny asa nanendrena azy ireo any amin’ny fonja anankiray. Anisan’ny asa asaina ataon-dry zareo, ohatra, izao ny mikarakara sakafo, miantsena, mampianatra, mikarakara ny resaka fahadiovana sy fahasalamana ary ny fikojakojana. Araka ny lalàna, dia mahazo mivoaka ny fonja ireo rahalahy ireo, aorian’ny ora fiasana, rehefa tapitra ny roa volana. Ho afaka hitory sy hivory ry zareo amin’izay. Tsy maintsy miverina mody any amin’ilay fonja anefa ry zareo amin’ny 9 ora alina.

Izao ny nolazain’ny Rahalahy Kim Hyun-soo anisan’ireo 63 manao an’ilay fanompoana sivily: “Na dia tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena aza ilay fanompoana sivily, dia naleoko nanao an’ilay izy satria tsy misy ifandraisany amin’ny resaka miaramila ilay izy.”

Matoky isika hoe hanome voninahitra sy hidera an’i Jehovah foana ny “asa tsara” ataon’ireo rahalahintsika tsy mivadika any Korea Atsimo ireo.—Matio 5:16.

 

Rahalahy Park Jae-hyuk manao veloma ny fianakaviany fa handeha hanao fanompoana sivily

Rahalahy Lee Sang-joon miomana ny handao ny fianakaviany (eo ankavia). Ray aman-drenin’ny Rahalahy Kim Yeong-hoon mamihina azy (eo ankavanana)

Rahalahy Jeong Yeo-gyeom handeha hanao fanompoana sivily