Hijery ny anatiny

1 NOVAMBRA 2018
KOREA ATSIMO

Korea Atsimo: Didy Manan-tantara Navoakan’ny Fitsarana Tampony

Korea Atsimo: Didy Manan-tantara Navoakan’ny Fitsarana Tampony

Namoaka didy ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo, ny alakamisy 1 Novambra 2018, hoe tsy heloka bevava ny fandavana tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Ny 9 tamin’ireo mpitsara 13 no nanaiky an’izany. Azo ekena ho antony tsy anaovana miaramila izao ny zavatra inoana amin’ny fivavahana. Mbola mihantona any amin’ny fitsarana ambaratonga samihafa ny raharaha mahakasika ny rahalahintsika 900 mahery. Noho io didim-pitsarana miavaka navoakan’ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo io anefa dia azon’ny fitsarana ambara hoe tsy meloka izy ireo.

Efa namoaka didy ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana, talohan’izay, hoe tsy maintsy mampiditra fanompoana sivily hataon’ireo tsy manao miaramila ny mpanao lalàna, alohan’ny Desambra 2019.

Faly sy midera an’i Jehovah isika noho iny didim-pitsarana manan-tantara iny.