Hijery ny anatiny

15 JANOARY 2013
KOREA ATSIMO

Korea Atsimo: Didy Navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Korea Atsimo: Didy Navoakan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona

Namoaka didy ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, tamin’ny 25 Oktobra 2012, ka nanery an’i Korea Atsimo handoa onitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah 388 satria tsy nohajaina ny zon’izy ireo handa tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nasaina nofoanan’i Korea Atsimo koa ny firaketana ara-pitsarana milaza azy ireo ho mpanao heloka bevava. Manamafy an’ilay didy navoaka tamin’ny 24 Martsa 2011 tany Korea izany, izay nanome rariny an’ireo Vavolombelona 100 voaheloka higadra satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Hoy i Dae-il Hong, mpitondra tenin’izy ireo: “Tokony handrisika an’i Korea Atsimo hamoaka an’ireo tanora Vavolombelona 733 gadra amin’izao fotoana izao ireny didy ireny.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Repoblikan’i Korea: Dae-il Hong, tel. +82 10 3951 0835