Hijery ny anatiny

14 FEBROARY 2014
KOREA ATSIMO

Miova ny Fiheveran’ny any Korea Atsimo An’ireo Tsy Manao Miaramila

Miova ny Fiheveran’ny any Korea Atsimo An’ireo Tsy Manao Miaramila

SÉOUL, any Korea—Araka ny fanadihadiana natao vao haingana, dia mihamaro ny Koreanina mifidy hoe tokony mba havelan’ny fanjakana hanao fanompoana sivily ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Lehilahy sy vehivavy koreanina 1211 no nandray anjara tamin’ilay fanadihadiana, tamin’ny 4-7 Novambra 2013. Ny 68% tamin’izy ireo no nifidy hoe aleo avela hanao fanompoana sivily ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany fa tsy gadraina. Hita tamin’iny fanadihadiana iny fa niova be ny hevitry ny sarambabem-bahoaka. Nisy fanadihadiana toa an’iny mihitsy mantsy, natao tamin’ny 2008, nefa 29% monja no tia an’ilay hoe tokony havela hanao fanompoana sivily izay tsy te hanao miaramila.

Toa tian’ny mpahay lalàna sasany any Korea koa raha omena safidy hafa ireo tsy te hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, fa tsy tonga dia gadraina. Hoy i Han In-seop, mpampianatra ao amin’ny oniversite fianarana lalàna any Séoul, tao amin’ilay lahatsoratra nosoratany hoe “Olana Saro-bahana Momba ny Fandavana Tsy Hanao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretana”: “Vitsy ihany angamba ny mpitsara hilaza hoe manao ratsy na mandika ny fitsipiky ny fiaraha-monina ireo tsy mety manao raharaha miaramila. Tsy tazonina vonjimaika akory aza izy ireo satria tsy atahorana handositra. Tsy mahazo aina foana ireo mpitsara isaky ny mamoaka didy manameloka azy ireo.”

Vao haingana izay, dia namoaka filma ny Vaomieram-pirenena Miaro ny Zon’olombelona any Korea, ary nasongadiny tao io resaka io. Misy ampahany mitondra ny lohateny hoe “Renirano Mangatsiaka” amin’ilay filma, ary aseho ao ny Vavolombelon’i Jehovah iray tsy nanaiky hanao miaramila. Nilaza ny mpamokatra an’ilay filma fa nanapa-kevitra ny hanao azy iny izy rehefa fantany hoe Vavolombelona an-jatony no gadraina isan-taona, satria tsy manaiky hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Hita tamin’ny tatitry ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona ao Amin’ny Firenena Mikambana tamin’ny Jona 2013, fa amin’ireo Vavolombelona migadra eran-tany satria tsy manaiky hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, dia any Korea Atsimo ny 93%.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Repoblikan’i Korea: Dae-il Hong, tel. +82 31 690 0055